Voka-pikarohana sy valina fanadihadiana maro indray no nahazo sehatra tamin’ny fivoahan’ny « Sokela, La Parole du Sud », edisiona faha-14. Malagasy maro ihany koa ny ahafantatra zava-baovao ao anatin’izany.
Nivoaka tamin’ny fomba ofisialy omaly ny boky « Sokela la parole du Sud », edisiona faha-14. Profesora sy Mpikaroka ary mpianatra mpikaroka am-polony avy amin’ny oniversiten’Antananarivo sy i Fianarantsoa ary i Toliara no niara-nisalahy tamin’ny fanoratana izany. Fampahafantarana ireo fomba amam-panao sy kolontsaina malagasy, ny zava-misy eo amin’ny sehatry ny fanabeazana, ny eo amin’ny lafiny toekarena, ireo tantara ary ny mahakasika ny fiaraha-monina sy fiaraha-miainan’ny Malagasy amin’izao fotoana izao no resahina ao anatin’izany. Tanjon’ny tomponandraikitra ny hampahafantatra ny maha izy ny Malagasy sy ny zava-misy eo aminy.
Ny taona 2019 no namoronan’ny Profesora Rasamoelina Henri ny « Sokela, La parole du Sud ». Efa hatramin’izay izy no sehatra ahitana ireo voka-pikarohana maro samihafa. Ho an’ity edisiona faha-14 ity, lahatsoratra 21 no hita ao anatin’ny boky. Anisan’ny resahina ao anatin’izany ny momba ireo Anjoaty, izay vahoaka farany tany Avaratra Atsinanan’i Madagasikara nialoha ny fahatongavan’ireo Eropeanina teto. Hita ao ihany koa ny fampahafantarana ny fomba fandevenana any amin’ny foko Antesaka. Ny fanadihadiana mahakasika fampivelarana ny fampianarana eny amin’ny ambaratonga faharoa hahatonga azy ho antoky ny fampandrosoana maharitra.
Amin’ny ankapobeny, ireo fomba malagasy sy kolontsaina ary tantara nisy nefa tsy fantatry ny taranaka aty aoriana no ampahafantarin’ireo mpikaroka, taorian’ny fandalinana sy fikarohana maro nataony. Eo ihany koa ny fitsikerana ny zava-misy ankehitriny, ahafahana mitondra vahaolana sy tolokevitra entina mampandroso izany sehatra izany. Anisan’izany ny fampianarana, ny fitrandrahan’ireo vahiny ny harena misy eto Madagasikara.
Lin