Naaton’ny fanjakana ny fanotorana tany noho ny antony maro samihafa. Mbola misy anefa ireo manao izany ankehitriny ka handraisan’ny fanjakana sy ny tomponandraikitra fepetra.
Ao anatin’ny ezaka rehetra hamongorana sy hiadina amin’ireo tambajotra sy vondron’olona manao fanotorana tany tsy ara-dalàna ny fitondram-panjakana amin’izao, amin’ny alalan’ny minisiteran’ny Fitsinjaram-pahefana sy fanajariana ny tany. Nanomboka tamin’ny fiandohan’ny volana novambra, maro no tratra nanao izany fanotorana tany tsy ara-dalàna izany. Fiara lehibe 11 no tratra ambodiomby nanao izany. Miisa 13 kosa ireo nandositra ary efa eo am-pelatanan’ny manam-pahefana tomponandraikitra ny momba azy ireo. Amin’ny ankapobeny, iny faritra manamorona ny By pass, Ankasina, Ambohimangakely, Ambohijanaka iny no hisian’izay trangana fanotorana tany tsy ara-dalàna izay. Marihina fa miato ary voararàn’ny lalàna araka ny didim-panjakana laharana 2022-241 tamin’ny 23 febroary 2022 ny fanotofana tany. Mbola maro anefa no tsy manaja izany.
Tsy mijery fotsiny izany anefa ny fitondram-panjakana fa manao ireo ezaka rehetra hiadiana amin’izany. Anisan’ ny fanamby sy vinan’ny fitondram-panjakana ihany koa ny fanomezana sy famerenana ny taniny amin’ny Malagasy. Hisy, araka izany, ny fananganana vondrona manokana (Brigade spécialisée) hiady amin’izany. Ao anatin’izany no ahitana ny solontenan’ny zandary, polisy, ny Prefektiora, ary ny minisitera tomponandraikitra. Hiady manokana amin’ny asa fanotofana tany tsy ara-dalàna ary hanampy ireo polisin’ny fanajarina ny tany izy ireo.
Misy fiantraikany mivantana amin’ny fiainana andavanandron’ny vahoaka ny fanotofana tany tsy ara-dalàna. Anisan’izany ny fiakaran’ny rano rehefa fotoana filatsahan’ny orana. Mahatonga ireo tanimbary tsy ho tongan’ny rano noho ny fahapotehan’ireo fotodrafitrasa.
Lin