Tsy mety afa-bela amin’ny vahiny ny Malagasy. Tratran’ io tranga io avokoa ny sehatra rehetra (kolontsaina sy ny zavakanto, ny toekarena, ny politika, ny fiainam-piarahamonina amin’ny ankapobeny…). Miankin-doha amin-dry zareo hatrany ka tsy mety tonga eo amin’ny tena fahaleovantena. Ho an’ny kolontsaina sy ny zavakanto ary ny fanabeazana manokana, maro ny «zava-mahagaga sy abobo» lazain’ny vahiny, saingy, neken’ny Malagasy noho ny famatsiam-bola nomen-dry zareo. Raha ny voka-pikarohana navoakan’ny vahiny, ohatra, tahaka ny tany tsy misy na inona na inona i Madagasikara. Ny mponina, mpihavy «hono». Ny kolontsaina sy ny zavakanto (hira, dihy…) avy atsy sy aroa «hono», sns. Neken’ny Malagasy ho marina avokoa ireo. Tsy vitsy aza ny nampitainy tamin’ny taranany any anaty fandaharam-pianarana.
Bado sy mora ambakaina
Harena an-kibon’ny tany, ambonin’ny tany, anaty ranomasina, sns. Ananan’i Madagasikara avokoa. Iray amin’ireo firenena « manan-karembe » maneran-tany ity Nosy ity. Kanefa, araka ny laharana navoakan-dry zareo vahiny, mitana ny rambony maneran-tany. Miaina ao anaty fahantrana tanteraka. Tranga mifanohitra tanteraka, saingy, eken’ny Malagasy sady tsy mampieritreritra azy ny antom-pisiany.
Mila fanarenana goavana ny lesoka tahaka izany. Beazina amin’ny maha izy azy ny taranaka hahalala ny momba azy manontolo sy mba tsy ho voky lainga.
HaRy Razafindrakoto