Moramanga : mamokatra menaka ny tantsaha

Anisan’ny manova sy hanatsara ny velon-tenany ny kaoperativa Hanitriniala, ahitana mpikambana miisa 74, any amin’ny kaominina Morarano Gara, distrika Moramanga. Mifototra amin’ny fanodinana ny voanjo ho lasa menaka fihinana ity kaoperativa ity. Nahazo tohana avy amin’ny Conservation international (CI) toy ny fiofanana ara-teknika sy ara-pitantanana, fitaovana sy milina fanodinana menaka mandeha amin’ny herin’ny masoandro, masomboly, sns. Nihodina ny famokarana nanomboka ny jolay 2024 teo. Nilaza ny filohany, Randrianasy Emile, fa olana kely ny masomboly satria karazana voanjo menakely no nahodin’izy ireo, saingy tsapa taty aoriana fa ny voanjo vanga, na ny «fleuron 11», no tena ahazoana menaka betsaka. Samy resy lahatra ny mpikambana, toa an-dRavoniharifanja sy Razanadravelo Georgine, fa tena manatsara ny velon-tenan’izy ireo ny famokarana voanjo ahodina ho menaka. Ahazoana 15 kilao ny masomboly 14 kapoaka, ambolena amin’ny tany 1 ara. Manodidina ny 5 ara ny velaran-tanin’ny mpikambana tsirairay. Voajanahary tanteraka ny voanjo ambolena sy ny menaka vokarina. Efa nandray anjara tamin’ny foara Fier Mada 2024 teo ny kaoperativa Hanitriniala.

Njaka A.

Partager sur: