Anisan’ny nahafahana nampiakatra ny voka-bary ny tetikasa Purpa. Manampy ny vary, tohana ifantohany koa ny seha-pihariana famokarana varimbazaha, menaka fihinana, sns.
Nanomboka, ny taona 2022, ny tetikasa Purpa*, eo ambany fiahian’ny minisiteran’ny Fambolena sy ny fiompiana (Minae), vatsian’ny Banky afrikanina ara-bola. Anisan’ny tanjony ny hanohanana ireo foibe mpikaroka sy mpamokatra masomboly, ny Fofifa sy ny Fifamanor. Eo koa ny sampandraharaha manara-maso ny vokatry ny fambolena (SOC), hampitomboana ny isan’ireo mpanara-maso any amin’ny faritra 20. Manohana kojakoja sy fitaovam-pambolena, toy ny masomboly, zezika, ka ny 10% ny sarany ihany no aloan’ny tantsaha, iaraha-miasa amin’ny Tahirimbola ho fampandrosoana ny fambolena (FDA).
Miisa 139 100 ny tantsaha misitraka ny tetikasa Purpa manerana ny faritra 20. Nizarana karatra matihanina maha tantsaha mpamboly sy mpampitombo masomboly. Mpamboly vary, voanjo, varimbazaha ary soja ny 115 900. Miisa 235 ny vala tahaka napetraka, ho fitaratra ho an’ny tantsaha. Nahatratra 350 ny toerana napetraka sady nampiofanana mpamokatra masomboly. Miisa 20 ny mpanara-maso sy mpizaha mpamokatra masomboly vaovao.
Nilaza ny mpandrindra nasionalin’ny Purpa, Rakotoarisoa Mitia Finoana, fa « tena ilaina ny fampiasana karazana masomboly tsara kalitao sy voamarina, hampiakarana ny vokatra”.
Noho ireo, niakatra ho 4t/ha ny voka-bary, raha 3,6t/ha ny tanjona nofaritana tany am-boalohany. Manodidina ny 50 500 t ny vary vokatra ny taom-pambolena 2023-2024.
Sompitra iombonana
Manampy ireo, hamafisina ny famokarana sakafo eto Madagasikara, ka vatsiana ara-bola ny paikady vaovao sy ny tetikasa manodim-bokatra. Napetraka, noho izany, ny sompitra iombonana, Tahirim-bokatra ho an’ny vahoaka ny voamaina any Atsimo (RPCA). Tanjona ny hampiroboroboana ny fanodinam-bokatra eo an-toerana sy hampihenana ny fanafarana sakafo avy any ivelany.
Njaka Andriantefiarinesy