Manana andraikitra mahakasika ny famongorana ny herisetra atao amin’ny vehivavy ny mpanao gazety. Misy ny fivoriam-paritra momba izany atao any Dakar Sénégal, mandritra ny telo andro, izay hifarana anio.
Nanomboka ny alarobia lasa teo, any Dakar Sénégal, ka haharitra hateloana ny fivoriam-paritry ny mpanao gazety aty Afrika momba ny famongorana ny herisetra mianjady amin’ny zazavavy sy ny vehivavy. Hijerena manokana ny fanajana ny zon’olombelona sy ny fizakan-tenan’ny vehivavy. “Tafiditra amin’ny hetsika 16 andro iadiana amin’ny herisetra mianjady amin’ny vehivavy ny fihaonana”, hoy ny solontenan’ ny ONU femmes ao Sénégal, Arlette Mvondo, nandritra ny fanokafana. Mandray anjara amin’ny fivoriana any an-toerana ny Malagasy roa, amin’ ny alalan’ny tambajotran’ny mpanao gazety misehatra amin’ny fampivoarana ny fahasalamana sy ny tontolo iainana (Remapsen) eto Madagasikara.
“Miaraka hamongotra ny herisetra atao amin’ny zatovovavy sy ny vehivavy hatramin’ ny taona 2030” ny lohahevitra nosafidiana taorian’ny fanambarana tany Beijing. Hijery ny ezaka vita tao anatin’ny 30 taona farany ireo firenena rehetra. Satria, ny 79% amin’ ireo firenena mpikambana no nanolotra ny tatitra misy ireo asa iadiana amin’ny herisetra. Nanamafy ny lalàna mifehy ny herisetra ny ankamaroan’ny firenena mpikambana ary 88% no nametraka rafitra handray an-tanana ireo niharan’ny herisetra, araka ny nambarany ihany.
Raha ny zava-misy, mbola mitoetra ny fanaovana herisetra amin’ny vehivavy ho an’ny faritra Afrika tapany andrefana sy afovoany satria vehivavy iray amin’ny telo no iharany. Endrika hisehoan’izany ny famorana ny zatovovavy, ny fampanambadiana azy ireo mialoha ny faha-18 taonany amin’ny firenena maro.
Ilaina ny mandray fanapahan-kevitra hamongorana izany tranga rehetra izany. Manana anjara andraikitra ao avokoa ny mpitondra fanjakana, indrindra ny mpanao gazety, satria mbola lavitra ny vina napetraka tany Beijing.
Vonjy