“Zava-dehibe ny anamarihana ny andro natokana iadiana amin’ny kolikoly. Satria, fanamby atrehin’ny firenena ary anisan’ny tanjona lehibe ao anatin’ny Politika ankapoben’ny fanjakana malagasy (PGE) ny ady amin’ny kolikoly sy ny fametrahana sy fandalinana ary fiarovana ny fanjakana tsara tantana”. Io ny nambaran’ ny minisitry ny Raharam-bahiny, Rasata Rafaravavitafika, ny amin’ny hetsika fankalazana ny 9 desambra, Andro iraisam-pirenena iadiana amin’ny kolikoly teny amin’ny Havoria, Anosy, omaly. Ao anatin’ny ezaky ny fitondram-panjakana ny fikarakarana ny atrikasa nahazoana namolavola ny paikadim-pirenena iadiana amin’ny kolikoly. Amin’ny volana janoary 2025 no hamoahana ampahibemaso ny vokatra azo avy amin’izany atrikasa izany.
Ny lohahevitra nofidin’ny birao ONU misahana ny ady amin’ny heloka bevava sy ny zava-mahadomelina ho fanentanana amin’ity taona ity: “Miombona ny tanora hanohitra ny kolikoly, manangana ny ampitso anjakan’ny fahitsiana”, araka ny nambaran’ny tale jeneralin’ny Bianco, Razakamanantsoa Gaby Nestor. Ny 9 desambra 2003 no nanaovan-tsonia ny fifanarahan’ny Firenena mikambana (ONU) iadiana amin’ny kolikoly. Anisan’ny firenena nanao sonia sy nankato izany i Madagasikara. Efa tafapetraka ny tambajotran’ny tanora mandala ny fahitsiana sy ny fahamarinana, izay mihoatra ny 150 manerana an’i Madagasikara. Misy tanora mpikambana 5 000 mahery manerana ireo faritra 24.
R. Nd.