Raha tsy misy ny ezaka ataon’ny firenena aty Atsimon’i Afrika, hahatratra 100 tapitrisa ny zaza tsy hisy ara-panjakana satria tsy voasoratra eo am-pahaterahana aorian’ny taona 2030, araka ny tatitry ny Unicef ho an’ny taona 2024.
Zaza latsaky ny 5 taona mahatratra 500 tapitrisa no voasoratra ara-panjakana teo am-pahaterahana tao anatin’ny dimy taona farany maneran-tany, araka ny tatitra navoakan’ny Unicef momba ny zava-misy amin’ity taona ity. Niakatra ho 77% ny tahan’ny fanoratana ny zaza teraka ankehitriny raha 75 % izany ny taona 2019. Na nisy aza ny ezaka vita, mbola misy 150 tapitrisa ireo ankizy latsaky ny 5 taona tsy manana kopia nahaterahana ka tsy misy ara-panjakana satria tsy voasoratra amin’ny boky firaketana ny fahaterahana. Amin’ireo nanaovana fanambarana fahaterahana, 50 tapitrisa tsy manana ny kopia nahaterahana izay porofo hita maso, ilaina rehefa hanamboatra taratasy ara-panjakana (fidirana hianatra, fangatahana zom-pirenena…). “Ny fanoratana ara-panjakana ny zaza teraka rehetra no antoka fa misy izy ary afaka misitraka ny tolotra fototra amin’ny fanabeazana, fahasalamana ary ahafahana miaro azy amin’ny fanararaotana samihafa”, hoy ny tale jeneralin’ny Unicef, Catherine Russell.
Ho an’i Madagasikara, nidina ny tahan’ny fanoratana ara-panjakana ny zaza eo am-pahaterahana. Nihena ho 74% izany ny taona 2021 (fanadihadiana Ensmod-Instat) raha 83% ny taona 2012 (fanadihadiana EDS-Instat). Misy elanelana koa ny taha ho an’ny faritra satria 97% ny tahan’ny fanoratana ny zaza vao teraka eto Analamanga raha 42% ny taha ho an’ny any Atsimo Andrefana, ka mampitombo ny tsy fitoviana eo amin’ny samy ankizy. Zo fototra koa ho an’ny zaza tsirairay vao teraka ny hanana kopia manambara ny fisiany ara-panjakana. Anisan’ny toromarika nomen’ny vaomiera iraisam-pirenen’ny zon’ny ankizy ny hanovana ny zava-misy, ho antsika manokana. Tokony halavaina ny fotoana ahazoana manoratra ny zaza teraka eny amin’ny biraom-panjakana ary tokony ho maimaimpoana ny fanatanterahana azy, handrisika ny olona hazoto.
Vonjy