Esorina ny tahotra: Ilaina ny fahaiza-mivarotra kolontsaina sy zavakanto

Hatramin’izao, tsy mbola tazana mazava ny fiantraikan’ny fananan’ny Malagasy ireo kolontsaina sy zavakanto maro ao aminy. Fahantrana aza no iainan’ireo izay mieritreritra fa hanam-bola sy hanan-karena amin’ny alalan’ny zavakanto sy kolontsaina. Satria, mbola lavitra ny mpanjifa ny tolotra omen-dry zareo ireny.

Ekena, raha jerena amin’ny maso tsy miangatra, mihena miandalana ny fahaizan’ny Malagasy manavaka ny kanto sy ny tandrametaka. Na izany aza, tsy tokony hisy fiantraikany goavana be any amin’ny tontolon’ny zavakanto tahaka izao io tranga io. Hira sy dihy, tsisy fotony (mitsingevana, maivana…), ohatra, manjary tsy afaka am-bavan’ny Malagasy. Dihiziny etsy sy eroa. Fomba fitafy mamoafady. Fomba fiteny maharikoriko, manjary ireharehan’ny tanora ny miaina miaraka aminy… Ho an’ny eto an-toerana, misy ny mivarotra azy ireo. Mahalafo sy mahazo vola tokoa, satria, efa mirefarefa amin’ny tany ny fahafantaran’ny Malagasy ny kanto sy ny ankosotra. Iny ilay ataony hoe « varodraikiraiky ».

Tsy voatery hamorona
Mba te hahazo vola ihany koa. Maka tahaka sy manara-drenirano fotsiny. Antony iray tsy ahitan’ny kolontsaina sy ny zavakanto malagasy fivelarana mihitsy izy io. Ny eo ihany no eo, satria, mitovy avokoa ny tolotra omena. Tafiditra, voalohany, ao anatin’ny fahaiza-mivarotra ny fanolorana zava-baovao ho an’ny mpanjifa. Tsy voatery hamorona fa afaka mitrandraka ireo efa misy, saingy, tsy tazana na takona. Faritra iray eto Madagasikara, ohatra, ahitana karazan-dihy miisa 30 mahery ny vitsy indrindra. Toraka izany koa ny fomba fitafy. Ny fomba fandrahoana sakafo, sns.
Na eo aza ny fahavononana hanatanteraka izany. Tsy maintsy mila rafitra mazava ihany koa hifehezana ny lalam-barotra sy ny tsena. Mila fahamalinana fatratra ny fametrahana fiarovana mba tsy ho lasan’ny hafa ny kolontsaina na ny zavakanton’ny Malagasy.

Omen-danja ny tsena ivelany
Mila katsahina mafy ny tsena any ivelany. Madagasikara manana kolontsaina sy zavakanto maro, zara raha fantatra eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena izy ireny. Raha mbola ilay kanto « nindramina » tany amin-dry zareo ihany koa anefa, no hoentina miverina any, tsy hisy varotra hanjary. Tsy voatery ny mpanakanto na ireo mpisehatra amin’ny kolontsaina no hanatanteraka ny varotra. Mety ho olona na sampandraharaha na orinasa hafa mihitsy. Lesoka lehibe amin’ny zavakanto sy kolontsaina malagasy ny tsy mbola fananana azy io. Ny zava-dehibe, zaraina ny asa raha tena vonona ny hirotraka amin’ny varotra kolontsaina sy zavakanto.

HaRy Razafindrakoto

Partager sur: