STOI : hanaparitaka ny masomboly vary safiotra

«Hanaparitaka haingana ny masomboly vary safiotra ny Vondrona STOI(1), any Menabe sy Sava hitsinjovana ny ho avy. Tsy hiankin-doha loatra isika amin’ny vokatra avy any Inde, Chine, na Pakistan, noho ny ady any Ukraine sy fiovaovan’ny toetr’andro”, hoy Rtoa Razana­mahefa Tahina, mpiandraikitra ny serasera ao amin’ny STOI.
Mampanahy ny tsy fa­hampiana amin’ny famatsiana sakafo ankehitriny. Koa mia­ra-miasa ny STOI (sady mpam­boly lavanila) amin’ny minisiteran’ny Fambolena sy fiompiana hanaparitaka ny vary safiotra. Tsy mionona fotsiny amin’ny fanafarana masomboly fa efa mamokatra masomboly ihany koa, izay iaraha-miasa amin’ny fanjakana tompon’ireo CMS(2) marobe. 50 000 t masomboly ny tanjona tamin’ny 2022
iny, ary vary fotsy safiotra 600 000 t isan-taona. Andrana no atao any amin’ny faritra Menabe sy Sava.
Ny olana anefa atahorana tsy hahatrarana izay tanjona izay ny tsy fanjarian’ny ta­nimbary noho ny tsy fahampian-drano. Mbola eo koa ny velaran-tany mila fanadihadiana lalina ny hahafahany mamokatra, ahazoana 6 na 7t isaky ny ha. Mitaky asa maro izany rehetra izany avy
amin’ny fanjakana. Midika fa tsy ny masomboly ihany ako­ry no ahazoana vokatra maro sy tsara.

Ndrina

STOI (1) : Société Trading de l’Océan Indien
CMS(2) : Centre multiplicateur de semences.

Partager sur: