Ramamimampionona Gérard : “Afa-miara-monina ny maha malagasy sy ny maha kristianina”

Nahabe resaka sy adihevitra ny nisian’ny kristianina nanao fandroahana devoly sy nanao hira fiderana teny amin’ny doany amin’ny Rovan’Ambohimanga. Maneho ny fijeriny ny mpandinika fiarahamonina, Ramamimampionona Gérard: “Afa-miara-monina ve ny maha malagasy sy ny maha kristianina? Raisiko amin’ny tenako: Malagasy aho sady kristianina.” Dinidinika…

Gazety Taratra (*): Ny fahitanao ny zava-nitranga teny amin’ny Rovan’Ambo­­himanga?

Ramamimampionona Gérard (-): Toy ny fiarahamonina rehetra… Afa-miara-monina ve ny maha malagasy sy ny maha kristianina? Raisiko amin’ny tenako: Ma­lagasy aho sady kristianina. Misy fahendrena mampiorina ny maha malagasy ahy, ary misy fifandraisana tsara amin’ny maha kristianina azo handavorariana ny maha malagasy ahy.
Tsy ny fijerena izay antony no tena zava-dehibe, fa raha misy zavatra tsy mety ny nataon’ny kristianina sasany, afa-mangataka famelana ny tena kristianina ary afa-manala fahadisoana ny tena malagasy. Tsy olon’ny herisetra ny Malagasy, ka handrehitra afo avy hatrany. Ny fomba malagasy ange enti-mandala ny soatoavina hoe mandala ny hasin’ny razana, tia fihavanana…
Na inona na inona zava-nisy, tsy tokony handrehetana afo fa jerena ny maha malagasy sy ny maha kristianina. Tsy mifanalavitra izany. Ny iray mandala ny fihavanana; ny iray, fifankatiavana. Ny iray mandala famindrampo; ny iray, famelan-keloka. Samy mandala fiarahamonina izany. Koa raha misy zava-tsy mety, hifampiresahana fa tsy handrehetana afo. Tsy soatoavin’ny malagasy izany sady tsy soatoavin’ny Vaovao Mahafaly, fa lasa fifampitsarana.
Ny fomba fandraisantsika ny zava-nitranga no manahirana: lasa fandrehetana afo. Toy ny fiarahamonina rehetra io: ifanatonana raha misy tsy mety, ifanazavana, na ifamelana… Tsy mifanalavitra ny finoana malagasy sy ny finoana kristianina: samy mandala ny aina, ny firaisankina, ny fiarahamonina…

* Tsy ny fiarahamonina ve no misy fahasimbana amin’izao?

– Toy ny hoe lasa tsy haintsika ny miara-monina… Misy ny fahasamihafana na amin’ny zavatra eritreretina aza, fa hoe tsy iraharahana ny hafa na izay ao amin’ny fanahiny. Izay fiarahamonina: inona no tsara ao amin’ny hafa ahazoana mandray izany, ary inona no tsara ao amin’ny tena omena azy? Fa tsy hoe tsy mety rehefa tsy ny ataoko, ohatra, na tsy ny teniko, tsy ny finoako… Tsy voatery izay tian’ny tena ny hoe fiarahamonina. Lasa misy ratsy saina amin’izany, ary ny zava-dratsy sisa no ifandraisana eo anivon’ny fiarahamonina: ny ratsy no hitan’ny hafa amin’ny tena na hitan’ny tena amin’ny hafa; na misy zavatra tsara aza, jerena izay maharatsy azy. Misy an’izay, ohatra, eo amin’ny politika; eo amin’ny toekarena lasa fitadiavana tombon­tsoa fotsiny fa tsy mitady soa ho an’ny fiarahamonina; eo amin’ny sehatra sosialy, io hita io fa lasa herisetra be, fitiavan-tena…

* Ahoana no hamerenana an’izany rehetra izany?

– Ny fandraisana andraikitry ny rehetra mahatsapa tena… Ny fanomezana ohatra miainga amin’ny tsirairay eo amin’ny ankohonana, ny fianakaviana, ny mpiara-monina, ny mpiray antoko, ny mpiray fivavahana… Aparitaka amin’ny manodidina ny toe-tsaina tsy mandala na mety hampisy herisetra, miitatra tsimoramora amin’ny hafa sy ny rehetra. Rehefa milamina amin’ny tenany tsirairay vao mifanatona tsikelikely ny rehetra, vao mandeha ny fifampiresahana na fikaonandoha.

Nangonin’i R. Nd.

Partager sur: