Anisan’ny zavamaneno mampiavaka sy ahafantarana an’i Madagasikara ny valiha. Manomboka mivelatra eo amin’ny tsena ivelany ny varotra atao aminy. Raha ny vidiny no iaingana, efa manomboka mitovy laharana amin’ny gitara.
Tany ho any amin’ny faramparan’ny taonjato faha-18, nanomboka nalaza ny fampiasana ny gitara. Nisandrahaka haingana teo amin’ny tontolon’ny hira maneran-tany izany. Saika mampiasa azy avokoa ny firenen-drehetra. Raha ny valiha malagasy indray, ny taona 1929 tany ho any no nanomboka liana tamin’ny hira nampiasana valiha ny vahiny.
Taona 2025, raha eo amin’ny sehatra sy varotra ivelany, fantatra fa efa manakaiky ny vidin’ny gitara ny vidin’ny valiha fitendry iray. Mahatratra 200 euros na 1 000 000Ar eo ho eo (1euro = 5 000ar). Manomboka eo amin’ny 299 euros kosa ny vidina gitara klasika iray. Na tsy mbola mahazo tsena lehibe aza ny valiha avy aty Madagasikara, tazana fa mitombo tsikelikely ny fanafarana ataon-dry zareo vahiny.
Fantatra ihany koa fa tsy mbola manana mpifaninana aminy aloa hatramin’izao ny valiha, raha eo amin’ny «zavatra» vitany. Na efa mahazo vahana any Azia aza ny zavamaneno antsoina hoe « koto » (mitovitovy feo amin’ny valiha), mbola manana ireo liana aminy ny valiha malagasy.
Ny mpanelanelana no mahazo tombony
Na eo aza io fiakaram-bidy io, tsy mbola tazana any amin’ny tena mpanamboatra valiha ny akon’izany. Tsy ry zareo mivantana mantsy no mahita ny lalam-barotra sy mandefa ny asan’ny tanany fa ireo mpanelanelana. Ho an’ny tsena eto an-toerana, rahateo, tsy mbola sahy mividy valiha amin’ny sarany lafo ny Malagasy. Matetika, ny vahiny mandalo, tahaka ny mpizahatany no mividy valiha 100 000Ar raha lafo indrindra, raha ny fanazavan’ireo mpandrafitra valiha.
Anisan’ny olana mianjady amin’ny tontolon’ny fanamboarana valiha kosa ny tsy fahampian’ny akora fototra, raha ho an’ireo mpanamboatra valiha eto an-dRenivohitra. Eo ihany koa ireo fiovana bika na endrika amin’ireny akora ireny. Tsy misy na mahita ihany fa vitsy dia vitsy, ohatra, ny « bambou » lava sy vaventy.
HaRy Razafindrakoto