Nijohy tokoa moa izany raorana tao anatin’ny andro vitsy, teto an-drenivohitra. Velombolo aoka izany ny olon-drehetra. Mba nionona tamin’ny kitatitaty rano amin’ny bidon sy ny sinibe. Niala tamin’ny filaraham-be tsy nahitam-bokany. Migalabona aloha raha rano hosotroina, ny handrahoana sy ny handroana. Raha milaza fa sahirana ara-drano dia efa mandainga sy manameloka an’Andriamanitra angamba!
Miova tampoka izany ny tontolo manodidina sy izay jerena. Toa niofo ny tanimbary sy ny tanimboly. Nihazakazaka ny namadi-bainga avokoa ny tantsaha. Aleo tokoa tara toy izy tsy misy. Efa nalaza rahateo fa ho ratsy dia ratsy ny vokatra amin’’ity taom-pambolena ity. Tena tsy mbola nisy nanetsa ny vary vaky am-biaty raha vao miakatra tsikelikely ireo nolazaina fa “vary aloha”. Tena mahita faisana ilay Malagasy.
Na izany aza, zara aza misy ny rotsakorana mba hahafahana misitraka rano fisotro madio ho an’ny eto an-drenivohitra. Ny indrokelin’ny mpandrafitra, ity rano maloto miandrona mameno tanàna. Ny diky sy ny fako mitsikafona, tonga hatrany ambany fandriana, miditra an-trano. Ny lalana dobo rano, miteraka fitohanana izaitsizy. Ny lakandrano natao dabam-pako izao vao mandoa ka manely ireo zaoridira etsy sy eroa. Maloto ny tanàna.
Raha ny aretina gripa no nampatahotra teo, efa mampiahiahy koa ny valanaretina hafa ateraky ny loto. Tandindomin-doza ny zaza madinika sy ny sokajin’olona marefo noho ny loto. Tsy misy fisorohana azo atao intsony fa dia efa mioty ny voka-dratsin’izay nataony ny mponin’Antananarivo. Niriana maha ory ilay ora-mikija. Tsy hita anefa izay homen-tsiny. Samy mijinja ny nafafy…zara aza nomen-janahary ny anjara manandrify!
r.r