Mompera François Noiret : “Tsy ataotao foana fa manan-danja ny hira zafindraony”

Tsy ny mahay mihira rehetra no mahafehy ny zafindraony. Nitondra fanazavana bebe kokoa mahakasika ity zavakanto iray ity ny Mompera François Noiret, tetsy Anjohy.

“Avy aty Antananarivo ny niavian’ny zafindraony, raha ara-tantara. Niparitaka nanerana ireo faritra maro izany, na samy nanana ny nanaovany azy aza. Hafa ny an’ny betsileo tavaratra, hafa ny an’ny Vakinankaratra. Ny an’ny betsileo tatsimo kosa no tena nanaovako fikarohana”, hoy ny fampidirana nataon’ny Mompera François Noiret, nandritra ilay “Café-Histoire” notarihiny, tetsy amin’ny Mozean’ny saripika Anjohy, ny sabotsy maraina teo.
“Tsy ataotao foana, fa manan-danja ny hira zafindraony. Sarotra hiraina izy io. Efa nomanina ela vao asehon’ireo mpanao zafindraony ny hira iray. Hentitra dia hentitra ny mpampianatra hira, izay matetika efa raiamandreny. Mila tafavoaka tsara ny hira izay voalamina sy mirindra na tonony na feony. “Tsy manoratra tononkira izany ireo, fa ianarana tsianjery ny hira rehetra ary tsy misy mahazo latsaka na iray aza”, hoy ny fanazavan’ity pretra mpikaroka sady mpampianatra antropolojia ity.
Nahaliana ireo mpanatrika, indrindra ny fitantaran’ny Mompera François Noiret ny tantara sy ny fivoaran’ny zafindraony. Araka ny voka-pikarohany, andriana tamin’izany androny ilay Raony. Ny zanany sy ny zafiny no nanova ireo hira nentim-paharazana ho lasa hira kristianina. Izany hoe, taorian’ny fahatongavan’ireo misionera vazaha, izay nitondra ihany koa ny fivavahana kristianina no teraka ny hira zafindraony. Hoan’ireo Betsileo manokana, hafakely ny fandrindrany ny gadona, hifanaraka amin’ny tantara voizina, izay notakarina tao anatin’ny Baiboly kristianina. Amina fotoana miavaka no hanaovana ny zafindraony, toa ny fampiadian-kira, vanim-potoana lehibe ho an’ny fiangonana toa ny Noely, lanonana isan-karazany, fa ny malaza indrindra dia ny fiandrasam-paty. Misy fotoana heverina fa tsy mifanaraka amin’ny tranga misy ireo hira, kanefa rehefa zohina ny lohahevitra dia mifandray tendro ihany. “Mety tantaran’i Davida sy Goliata ohatra no hataon-dry zareo anaty hira amina fiandrasam-paty. Ma­neho ihany kao ilay fandresena ny fahafatesana anefa izay”, hoy hatrany ny mompera François Noiret.
Ho an’ireo tsy naharaka anefa liana, voarakitra ao anatin’ilay boky nosoratany, “Chants de lutte, chants de vie à Madagascar: Les zafindraony du Pays Betsileo”, navoakan’ny edisiona L’Harmattan, ny andinindininy amin’izany.

Zo ny Aina

Partager sur: