Famotsoran-keloka faobe avy amin’ny filohan’ny Repoblika : Voafonja miisa 450 misitraka izany ho an’ny fonjaben’Ambalatavoahangy

Araka ny didim-panjakana laharana faha-2024/2 147, ny 10 janoary 2025, nilazan’ny filoham-pirenena ny famotsoran-keloka faobe, izay mifanaraka amin’ny didy aman- dalàna mifandraika amin’ny sazy mahavoaheloka ny tsirairay avy, ary mbola misy andinin-dalàna miisa 25 be izao kosa izay karazan-keloka tsy ahafahana misitraka izany fampihenan-tsazy faobe izany.

Anisan’ny tsy hisitrahina an’izany famotsoran-keloka faobe izany ny fanondranana olona antsoko­soko, ny herisetra mifototra amin’ny mahalahy sy mahavavy, ny famotsiam-bola, ny fa­nondranana antsokosoko ny harem-pirenena, toy ny andramena, volamena sy maro hafa. Tafiditra ao koa ny vono olona sy ny fananganana tambajotran-jiolahy entina handravana sy hanaovana fanafihana mitam-piadiana, ny fa­me­renan-keloka (récidive), ny fanafihana filoham-pirenena, ity farany izay voafaritry ny lalàna famaizana laharana faha-87. Ary ny fanafihana fiarovam-pirenena ao anatin’ny fanjakana, voafaritry ny andininy faha-90 sy 91 amin’ny lala­na famaizana, raha tsy hilaza afa-tsy ireo aloha ho an’ny tsy fisitrahana ny fanalefahan-tsazy faobe.
Amin’ny ankapobeny, mi­to­taly 1 333 ny isan’ny voafonja ao amin’ny fonjaben’ Amba­latavoahangy, raha nahatratra hatramin’ny 450 kosa ireo misitraka ny famotsoran-keloka avy amin’ny filoham-pirenena, Andry Nirina  Rajoelina. Amin’ izany indrindra, mahatratra hatramin’ny 59,71 isan-jato ny voafonja efa voatsara, raha 34,43 isan-jato mbola miandry fotoam-pitsarana azy ary ny 5,86 isan-jato nanao fampiakarana sy fangatahana fanohanana didy nivoaka taminy.

Nananatra ireo voafonja ny lehiben’ny fonja…
Mitsinjara dimy ny karazan-keloka hifonjan’ ireo voafonja ao Ambalatavoahangy. Voalohany  30,38 isan-jato ny halatra sy fakana zavatr’olona antsokosoko sy mitovitovy amin’ izany, faharoa 9,15 isan-jato ny vonoan’olona mifandraika tamina halatra, fahatelo, 8,33 isan-jato ny  fanolanana. Ny taona 2024, iray tamin’ ireto no tsy maintsy namoahana didy famosirana, raha 7,37 isan-jato izany ny taona 2023. Raha tsorina dia niakatra ny tahan’ny fanolanana sy olona voafonja amin’ izany ny taona 2024. Fahefatra 4, 43 isan-jato ny fikambanan-jiolahy ary ny fahadimy farany: 3,53 isan-jato ny halatra omby. Raha hiverenana ny amin’ ireo 450 nisitraka ny famotsoran-keloka, 121 aloha hatreto no nivoaka avy hatrany izay notontosaina ny zoma tolakandro teo ny fikirakirana ny antotataratasy mahakasika izany, tao ny sasany avy hatrany dia nandeha nandro sy nijibika ranomasina mba tsy hiverenana anaty fonja, hialàn’ny ratsy. Ny ambiny kosa hivoaka tsikelikely, arakaraka ny momba azy sy saziny. Teto dia tsodrano no nomen’ny lehiben’ny fonja ny mba tsy hiverenan’ireo hivoaka ny fonja. “Hiverina ami’ny fiarahamonina ianareo, mahaiza manova toetra, raha tsy nanao na inona na inona ianao fa ataonao hoe endrikendrika ny nahatafiditra anao tato amin’ny fonja dia mitandrema ihany, fitaizana tato mba hanovana izay tsy nety teny anivon’ny rafi-piarahamonona” hoy Zafilahy Stephanson Vonjy.

Miisa 60 voaheloka mandra-pahafaty, ny telo vehivavy

Mahatratra hatramin’ny 60 kosa ireo voaheloka an-terivozona mandra-pahafaty ao Ambalatavoahangy, ary vehivavy ny telo amin’ ireo. Ireto farany dia antontan-taratasin’ady tsaraina eo anivon’ny Sampam-pitsarana ady heloka be vava avokoa ( Cour criminelle ordinaire), nahatsarana antontan-taratasin’ady miisa 204 ny taona 2024, raha 29 kosa ny C.C.S (Cour criminelle spéciale) izay miisa 29. Raha ny fotoam-pitsarana na koa hoe ny ady notsaraina teo anivon’ny Sampam-pitsarana ambaratonga voalohany dia nahatratra 1 830 ny fanamelohana, ireo rehetra ireo manome fanamelohana am-ponja nitotaly 2 063 ho an’ny taona 2024. Raha hiverenana ny fivoahana amin’ny fonja tato anatin’ny telo taona nifanesy, mitotaly 1 671 ny taona 2022, 1 791 ny taona 2023 ary nahatratra 1 877 ny fivoahana ny fonja ny taona 2024.

Fonja mamokatra mahavelotegna
« Amin’ny ankapobeny manana toby famokarana, fambolena sy fiompiana, ny fonjaben’ Ambalatavoahangy ao Fanadrana, Antanandava, Foulpointe ary mahavokatra toy ny vary, mangahazo, vomanga, anana izany. Saika voafonja efa voatsara ary azo antoka tsy handositra no hapetraka any an-toerana, mbola tsy nisy nandositra rahateo amin’ ireny toerana voalaza ireny” hoy ny lehiben’ny fonja. Nohamafisiny fa efa miroborobo ihany koa ny fampiofanana asa tanana fikirakirana hazo ho an’ny lehilahy, zaitra sy rary ho an’ny vehivavy, ka mitotaly  707 ny efa notolorana mari-pankasitrahana na Certificats. Raha tsorina, « fonja mahavelotegna ary manao fomba fitaizana ny mba hananan’ireo voafonja fitondrantena marina sy madio rehefa eny anivon’ny rafi-piarahamonina ny mpandraharahan’ny fonja ato Ambalatavoahangy” hoy izy nanamafy.

Nanatontosa : Sajo

Partager sur: