Somary nangingina kely ny raharaha politika taorian’ny fivoahan’ny voka-pifidianana izay ho ben’ny Tanàna, manerana an’i Madagasikara. Ny mpitazana ety ivelan’ny fitondrana sy ny heverina ho mpanohitra samy tsy handrenesam-peo. Ny mpanohana sy mpiara-mitantana koa, sahalan’ny nanakombom-bava.
Zara raha misy ny minisitra sahy miseho masoandro. Vitsivitsy no sahy manohana ampahibemaso eny amin’ny tambajotran-tserasera. Aiza anefa ny “werawera” sy ny famoahana sary miaraka amin’ny filohan’ny Repoblika, rehefa tony ny raharaha politika. Tena mipetraka ny fanontaniana: hatraiza no fetran’ny fanohanan’ireo nahazo seza?
Mibaribary loatra ny fitiavan-tena sy ny fikatsaham-bola fotsiny ho an’ny mpitondra sasany. Tsy hita taratra ny faharesen-dahatra amin’ny vinan’ilay olona tohanana. Nihena ny tahan’ny ranty hita eny amin’ny tambajotran-tserasera, maneho fitiavana ny filoha. Ireo nomen-toerana mihitsy no zary nanidy vava. Asa, efa mivadi-pitokisana sy mitady ny varavarambe hialana moramora.
Mahatonga saina ny fanaovana politika eto amin’ny tanàna. Maro ny tsy mena-mivadika sy mitsipa-doha laka-nitana. Mila lamina sy fomba fiasa vaovao avy amin’ny tompon’ny teny farany izany. Izay rahateo no mahavoa amin’ilay manendry sy mametraka olona tsy mba nitolona. Betsaka no nijapy lamasinina sy mpamadika palitao tafiditra an-dapa!
Tsy misy olona nivaro-bava sy niserasera ambadika ka nahazoana toerana hanao sorona ny tenany ho an’ny fitondrana izany. Raha vao may ny tanàna, tsy mahamenatra azy ny mamela irery ny filoha mianakavy hilaozan’ny omby mihahaka. Fotoana izao, aorian’ny tombana ireo mpikambana amin’ny governemanta, ny mba hamerenana ny fototra politikan’ny antokon’ny filohan’ny Repoblika.
Mila ny fanohanan’ireo mpitolona resy lahatra hatrizay ny lohan’ny lamasinina. Miankina amin’izay ny hahatongavany eny amin’ny fiantsonana, ny taona 2028. Mila mamerin-doha…
r.r