Ny ankizivavy manana fahasembanana, indrindra fa any amin’ny firenena mahantra toa an’i Madagasikara dia tena mora iharan’ny fandaozana sekoly. Anton’izany, ny fanavakavahana, ny fitsipika mifandray amin’ny maha lahy na maha vavy, ny fahasahiranana ara-bola ary ny mety ho herisetra mifototra amin’ny miralenta. Na eo aza anefa ny sakana sy ny tsy fahampian’ny fanohanana, azo atao ny manova io zava-misy io. Amin’ny alalan’ny fanovana ny fomba fijery momba ny fahasembanana sy fananganana tontolo ara-panabeazana mampiaty sy miaro ny ankizivavy. Eo koa ny fanohanana ireo fianakaviany sy ny fiarahamonina misy azy. Azo atao ny manome azy ireo fahafahana mianatra sy manorina hoavy tsy ahitana fanilikilihana ny ankizivavy na dia iray aza. Mandritra ny fanamarihana ny Andro maneran-tany ho an’ny fanabeazana izao, tokony hiara-hientana hiantoka fanabeazana mitovy sy feno ho an’ny rehetra, tsy misy ankanavaka.
Amin’izao fotoana izao, tetikasa roa no tanterahin’ny Humanite et Inclusion izay mikendry ny fanabeazana mampiaty. Voalohany ny tetikasa « Manonga » izay tanterahina any amin’ny faritra Analanjirofo sy Atsinanana, tohanan’ny Agence française de développement, ny Fondation Pierre Bellon ary ny Masoivoho Britanika. Faharoa, ny tetikasa any amin’ny faritra Diana sy Atsimo Andrefana izay tohanan’ny MAEE avy any Luxembourg.
Vonjy