Tohana GIZ : 1 707 ha ny tontolo voajanahary narenina

Manan-danja amin’ny Fiaraha-miasa alemà (GIZ) ny fiarovana ny tontolo iainana. Eo koa ny fiatrehana ny fiovan’ny toetr’andro eto Madagasikara mba hisian’ny fampandrosoana.

Nahatratra 1 707 ha ny tontolo ala voajanahary narenina, avy amin’ny tetikasa notohanan’ny GIZ, nampihena ny fandripahana ny ala sy ny doro ala manodidina ny faritra Arovana (AP). Nilaza i Josephine, mpiandry ala honko sady mpanjono any amin’ny faritra Boeny, fa niova ny tontolo iainana arovanay. Mora aminay ny manjono makamba sy drakaka rehefa mihena ny haavon’ny rano.
Manohana ny Malagasy amin’ny rafitra ara-tsakafo ny GIZ amin’ny alalan’ny Teti­kasa mandrindra ny rohim-pamokarana manoloana ny fiovan’ny toetr’andro (PrAda). Miisa 19 500 ny tokantrano ni­sitraka azy tany Androy, Ano­sy, Atsimo Atsinanana, namboly lavanila, kafe, jirofo, sa­kamalaho, tantely, jono an-dra­nomasina, poavra ary voan­jo. Misy koa ny tetikasa fiompiana trondro ASAM tany Matsiatra Ambony, Amoron’i Mania, Atsimo Atsinanana. Tan­­jona ny hanampiana ha­zandrano 125 taonina isan-taona fanampiny. Eo koa ny te­tikasa ProSAR, manohana ny reny sy ny zaza ara-tsakafo.

Tohana ara-toekarena
Paikady manokana napetraka ny fiarovana ny tontolo iainana sy ny fampandrosoana ny toekarena eny ifotony, Forests4Future (F4F) any Boeny sy Diana. Nifantohana ny fampiroboroboana ny asa vadimboly mampidi-bola sy ny fambolen-kazo. Miisa 103 ny mpamboly any Diana, afaka nivarotra lavanila milasa 1 900 kilao, nahazoana vola 5 000 euros tamin’ny taom-pambolena 2023-2024. Nisy ny fanofanana teknikam-pambolena, fanodinam-bokatra, fikarohana lalambarotra, niampy fampitaovana sy fitahirizam-bokatra.
Mamatsy vola ny GIZ ny minisitera alemà misahana ny fiaraha-miasa ara-toekarena sy ny fampandrosoana (BMZ). Eo koa ny Vondrona eoropeana sy ny rafitra hafa.

Njaka Andriantefiarinesy

 

Partager sur: