Any amin’ny Radio no ahatarafana fa manana mpanoratra tantara mitohy ihany ny Malagasy na dia somary vitsy aza izy ireny raha oharina amin’ny mpanoratra tononkalo. Mitombo tsikelikely, anefa, ny tsikera momba azy ireo. Anisan’ny lehibe indrindra amin’izany ny fakana tahaka amin’ireo tantara na sarimihetsika vahiny. Na tsy miharihary tanteraka aza, heno sy tsapa any anatin’ireny tantara mifaka amin’ny fakan-tahaka ireny fa misy toerana tsy hita eto Madagasikara isehoan’ny tantara. Misy fomba fisainana sy fomba fiasa tsy ananan’ny Malagasy, kanefa, heno ao anatin’ ilay tantara, sns.
Fantatra fa antony voalohany mahatonga io fakan-tahaka io ny famaliana ny hetahetan’ireo mpihaino tantara. Mitady tantara vaovao hatrany, kanefa, somary vitsy ny mpanoratra. Eo koa ny fahalainana ny hanoratra na hamorona, satria, moramora kokoa ny manao dika mitovy. Tsy mandany fotoana ela rahateo io. Mbola tsy tonga any amin’ny fanaraha-maso azy ireny rahateo ny tomponandraikitra tokony hanao izany.
Ny soa fianatra. Na izany aza, mety hanova na hanimba zavatra lehibe tahaka ny fomba fisainana, fihetseham-po, sns, ny tantara manana fototra hala-tahaka.
HaRy Razafindrakoto