Paikadim-pirenena iadiana amin’ny kolikoly: Laharam-pahamehana ny fanafoanana ny tsimatimanota

Miorina amin’ny tanjona stratejika telo ny Paikadim-pirenena iadiana amin’ny kolikoly (SNLCC) 2025-2030, araka ny nanolorana izany teny Ivandry, omaly. Eo ny fanafoanana ny tsimatimanota, ny fampirisihana ny fomba fiasa mampandray andriakatra ny rehetra, ny fandrindrana ny fiaraha-miasa ary ny fiaraha-mientana amin’ny ady amin’ny kolikoly. Eo koa ny fampiroboroboana ny kolon­tsaina mifototra amin’ny fahi­tsiana ifampizaran’ny rehetra.
“Efa 20 taona isika eto Madagasikara no niady amin’ny kolikoly. Ny zava-baovao amin’ny SNLCC 2025-2030: miala amin’ny hoe apetraka fotsiny ny rafitra iadiana amin’ny kolikoly dia hanjavona ny kolikoly”, hoy ny filohan’ny Komity mitandro ny fahitsiana (CSI), Rabenarivo Sahondra, tamin’ny mpanao gazety. Tsy maintsy mandray anjara avokoa ny rehetra, samy manana andraikitra tandrify azy. Ao, ohatra, ny Fitsarana avo (HCJ), ny parlemanta, ny governemanta. Tsy maintsy atao izay hampidiran’ny rehetra any anatiny ny ady amin’ny kolikoly.
Amin’ny ankapobeny, to­kony hampiharina amin’ny rehetra ny lalàna. Hatramin’ny minisitra sy ny praiminisitra teo aloha, ny manampahefana isan-karazany, ny sampandraharaha fisafoana amin’ny ladoany sy ny hetra… Mba tsy hisy sakana intsony ny fanenjehana izay manao kolikoly rehetra tsy ankanavaka. Hazavaina ny hoe zo tsy azo enjehina izay misy isan-karazany: tsy azo tsaraina raha
tsy any amin’ny HCJ, ny tom­bon-jo parlemantera, ny fahazoana manao fanenjehana any amin’ny mpiasam-panjakana samihafa… Mila mazava izay fa misy manao hoe depiote dia tsy azo enjehina: tsia, voafetra ny azony atao. Ape­traka ny fangatahana rehefa hanao fanenjehana, ary tokony hamaly izay voakasik’izany.

R. Nd.

Partager sur: