DAKA AN-JORONY: Tanan-tsotro tsy an-tany tsy am-parafara

Efa afaka misioka ny mpitia baolina kitra fa fantatra iny ny ho mpanazatra ny Barea A. Ela niandrasana saingy ela nahamasaka ny nahandro ary ela nahabe ny vitsy. Ny vokatra sisa andrasana. Fa etsy an-kilany, zary lasa hadino ny Barea «Chan». Taorian’ny fihemoran’ny fifaninanana mantsy, nanohy ny fanomanana tamin’ireo lalao fihantsiana izy ireo. Tapitra izany ankehitriny, miandry izay ho tohiny indray. Manalasala toa kamory andrefan-tanàna, marivo saro-tsobohina. Sahala amin’ny renirano an-dohasaha, kely vava tsy azo dinganina. Tsy misy resaka intsony fa mirona any amin’ireo zokiny indray ny sain’ny rehetra. Hadino toy ny kitapo nafahana ireto Barea «Chan», ka tsy hain’ny olona intsony. Tanan-tsotro, tsy an-tany tsy am-parafara.
Miandry ny fotoana manakaiky indray vao hikoropaka hanomana. Efa fomba mahazatra, izay nodimbiasin’ny rehetra ny andraso andraso ny tsy taitra tsy rototra. Miandry fa gasy ! Izay tokoa ilay teny fampiononan-tena. Dia tanan-tsotro ireo mpilalao, tsy an-tany tsy am-parafara. Toy ny basin’ariary fito eo aloha izy ireo, tsy tian’ny mpanana tsy takatry ny malahelo.
Avelao aloha ho eo fa tsy mbola fotoanany izao. Aleo milamina dia misesy toy ny any am-piangonana hoy ny vazivazin’ny tsy mahay raha.
Atao ahoana fa mila mitsitsy vola ny mpitantana satria mandany vola ny fanomanana raha mbola lavitra ny fihaonana. Na te hanao ezaka amin’ny hitadiavam-bokatra aza ny mpanazatra sy ny mpilalao, very hevitra tahaka ny vady tsy nakarina izy ireo. Tanan-tsotro tsy an-tany tsy am-parafara.
Ny biby tsy misy lohany anefa tsy mandeha. Mila mpitarika tokoa ireo mpilalao saingy tsy vitan’izay fa mila fampirisihina ihany koa.

Tompondaka

Partager sur: