Na fantatra izao aza ny anarany. Tsy mitovy tamin’ilay hita fahiny intsony ny amin’izao fotoana. Vanim-potoana roa tsy ela akory, kanefa, mitondra fiovana lehibe eo amin’ny tontolon’ny dihy malagasy. Tsy nahitana vehivavy mihodina, ohatra, ny dihy « afindrafindrao » tany amin’ny taona 1985. Ankehitriny, ahodin’ny lehilahy miankavanana ny vehivavy. Raha mametraka fihetsika mirindra sy maneho hevi-dalina, ohatra, ny « dihin’ny Ntaolo », tany amin’ny taona 1970. Amin’izao vanim-potoana izao, tsy tazana loatra intsony izany fa toa manarangarana any ny « mandeha ho azy ».
Ankoatra ireo, vitsy sisa no tena mahatazona ny dihy malagasy amin’ny endriny feno. Matetika, manana finiavana « hafahafa » ny mpandihy. Tsy hajanony eo amin’ny fototra fa « ampivadiana » na ampiana avy atsy sy avy aroa. Vokatr’izay, manomboka sarotra ny mitady ilay fototra amin’ny dihy malagasy.
… Rehefa levona ny fototra. Tsy hanana ny dihiny intsony ny Malagasy. Tsy hanako any aminy sy ny taranany intsony ny fananany ny dihy malagasy. Marihina fa ny ankamaroan’ny dihy malagasy, mitahiry « zavatra » lehibe ao anatiny.
HaRy Razafindrakoto