Mitohy ny fanairana ataon’ny Conim amin’ireo sekoly sandoka mbola mikiry mampianatra momba ny paramédicaux. Maro ireo mpianatra nivoaka amin’ireny ary lasa milalao ain’olona. Manaitra ny fanjakana ny Conim.
Maro ireo tanora mpianatra paramédicaux nivoaka tamin’ny sekoly tsy miankina tsy ara-dalàna no diso fanantenana aorian’ny fianarany. Satria, tsy mahazo diplaoma manana fankatoavana amin’ny fanjakana akory.
Milaza ny filohan’ny Holafitry ny infirmier (Conim) fa sekoly ambony tsy miankina mampianatra momba ny paramédicaux miisa 102 amin’ireo 172 manerana an’i Madagasikara ihany no ara-dalàna sy eken’ny fanjakana ny fijoroany.
70 amin’ireo izany dia misokatra, mampianatra ary mamoaka mpianatra hatrany kanefa tsy ara-dalàna akory ary zava-poana sy lany andro ireo ankizy nianatra tao aminy.
Tsy misy taratasy ilay sekoly dia tsy mahazo diplaoma ilay ankizy ka mitaraina any amin’ny holafitra.
Ilaina ny manontany sy manadihady ireo sekoly hianarana vao miditra sy mandany vola mianatra amin’izy ireny raha ny sosokevitry ny Conim. Manana ny lisitr’ireo sekoly azo antoka rahateo ny holafitra.
Tokony hakatona ireo tsy misy taratasy ireo fa mamitaka zana-bahoaka. Miantso ny tomponandraikitra mba handray fepetra izy ireo. “Tsy tokony homena alalana amin’ny fizarana asa na stage any amin’ny toeram-pitsaboana, miankina amin’ny fanjakana na miahy tena ireo mpianatra avy amin’ny sekoly tsy manana taratasy fisokafana fa lasa mamitaka zana-bahoaka”, hoy hatrany ny filohan’ny holafitra, Andrianarison John.
Efa maro ireo lasibatra, na mpianatra na ray aman-dreny, fa indrindra ny ain’ny marary voaviraviran’ny mpianatra na paramédicaux tsy ampy fahalalana tamin’ireny sekoly ireny. Sarotiny ny holafitra fa ny tandrohasina sy ny fehezam-pitsipika mihitsy no voazimbazimba.
Mampanahy ny fisian’ny namana paramède miaro sy voakarama hiaro ireny sekoly tsy ara-dalàna tsy misy taratasy ireny sy ireo mpisoloky fa ny Conim kosa dia tsy handefitra amin’izany, hoy ny filohan’ny Conim, nanamafy.
Tatiana A