Mahay ? Tsy mahay ? Malaza ? Tsy malaza ?… Samy manana ny filazany. Samy manana ny masontsivany hitazanany azy rahateo ny kanto. Fa, anisan’ny mpitsara tsy miangatra ny vanim-potoana. Tsy misy kanto ka mora lazoin’ny vanim-potoana. Eo amin’ny tontolon’ny hira, ohatra, voaporofon’ny vanim-potoana ela fa tsy lefy laza ny vakodrazana hita sy heno manerana an’i Madagasikara. Ny kalon’ny fahiny faheno eto anivon-tany. Ny kaiamba sy ny basesa avy any amin’ny faritra Atsinanan’i Madagasikara, sns. Tsy ho voakosoka ao anatin’ny tantaran’ny hira malagasy ny anaran’ny tarika Mahaleo, Solika sy ny zavatra vitany. Toraka izany koa i Dedesse, Bakidy Gegette, sns. Eo amin’ny sary hosodoko, azo antoka fa afaka sy mahatety vanim-potoana maharitra ny sanganasan-dRaparivo R.R. Raha ireo, hatramin’izao, mbola mizana tsy azo hialana ny vanim-potoana.
… Ankoatra ny vanim-potoana, anisan’ny azo hitsarana ny maha kanto na tsia ny sanganasa iray koa ny fahaiza-manao. Ho an’ny hira, ohatra, raha feo mivalana fa ahitsy amin’ny alalana fitaovana, mbola kanto ve ? Raha hosodoko na sokitra nolaroina fampiasana « imprimante », mbola kanto ve ? Nanomboka ny taona 2000. Nitombo be ny fanehoan-kevitra momba ny kanto. Iray amin’ireny ny tontolon’ny hira. « Raha izaho no mamorona hira tahaka izany. Mahavita 3 ao anatin’ny 10 minitra» ! Fomba fijery nateraky ny zava-misy ?
HaRy Razafindrakoto