Tsy amin’ny rahahara an-kapobeny ihany no ilana fitandremana fa amin’ny fihetsika sy ny fiteny ary indrindra ny fifandraisana. Eo amin’ny tontolon’ny fanatanjahantena koa betsaka ireo zavatra saro-pady mila fahamalinana fatratra. Amin’izao fotoana izao, miandry ireo Inspecteur an’ny Caf ny mpitia baolina kitra malagasy, hijery ny kianjaben’ny Mahamasina. Tsy azo atao ny mizahozaho na efa vita amin’ny ampahany maro aza izany fotodrafitrasa izany, satria sao sanatria ka ny lalam-kombana omaly no indro nahalavo. Raha mahay mantsy mahazo laza, raha tsy mahay mahazo loza.
Aleo milamina tsara fa izay mitandri-pamindra mantsy tsy mba solafaka. Samy miandrandra fatratra fa hahazo fankatoavana io kianjaben’ny Mahamasina io, ka hiverenan’ny Barea hilalao eo indray. Araka izany, toy ny akoholahy mitelin-kota ka raha mahay tohan’aina fa raha tsy mahay singotry ny aina.
Efa ampy izay fotoana lava tsy nahitana ny ekipam-pirenena nifaninana teto an-tanindrazana izay. Be izay nigohana ny mangidy sy ny mafaitra izay. Fanirian’ny rehetra, araka izany, ny hivahan’ny olana. Na izany aza, tsy maintsy mailo amin’ny mety ho singam-bola mandavo ny vositra. Raha mahay mantsy mahazo hidiran-dova raha tsy mahay hidiran-doza.
Tsy ny Malagasy no tompon’ny teny farany amin’izany fa ny tompon-baolina. Ny kianja no an’ny Malagasy fa ny fanapahana an-dry zareo. Koa aza ny hakelin’ny iraka no jerena fa ny haben’ny naniraka azy. Raha mahay vadin-tany, raha tsy mahay avadiky ny tany.
Tsy azo atao ny manao hevitry ny tsy manan-katao, ambony fisidina fa ambany fipetraka. Raha mahay mantsy mahazo laza, raha tsy mahay mahazo loza.
Tompondaka