Mitohy ny asa hampidirana ny Misiona katolika ao Ambodifotatra Sainte Marie, ho anaty lisitry ny harembakoka iraisam-pirenena harovan’ny Unesco. Tonga eto, ary efa nidina any ifotony ireo manampahaizana momba ny harembakoka avy amin’ny komity misahana ny harembakoka iraisam-pirenena, eo anivon’ny Unesco. Miara-dalana amin’izy ireo ny avy amin’ny minisiteran’ny Kolontsaina sy ny serasera.
Nokobonin’ireo teo aloha ny tantara, ny fomba amam-panao, ny fady, sns. Hany ka tsy manan-kalahatra intsony ny taranaka aty aoriana. Niteraka fahabangana lehibe eo amin’ny fiainam-pianakaviana sy ny fiarahamonina ary ny firenena iray manontolo io fihetsik’ireo raiamandreny io. Ny fady, tsy fantatra. Ny fomba, tsy hay. Ny tantara, honohono sisa… Zary taranaka mitsingevana sisa ny Malagasy.
14 febroary, “Fetin’ny mpifankatia”, hono. Io ny endrika ivelany fa ny vontoatiny, varotra. Izay azo amidy ka mifandraika amin’ny tontolon’ny fitiavana, hamidy avokoa. Amin’io fotoana io ihany koa no manao izay ho afany amin’ny fitiavana izay mila izany. Ny tsy azo hadinoina anefa, na teo ny 14 febroary na tsia, efa maro sy mitombo isa tsy tapaka ny manorina ny fitiavany eo amin’ny resa-barotra!
Tsy sarotra ny teny malagasy. Misy indray milaza ny mifanohitra amin’izany. Mifono zava-dalina ny teny malagasy. Io no tsy azo lavina. Izay no mahatonga ny Ntaolo nanafatra fatratra ny mba tsy hitenitenenana zava-tsy voahevitra. Ambonin’izay, masim-bava miteny ny Malagasy afaka nanaja ny tokony hotandremana (fady, fomba…) ka hanana fiantraikany ny teny haloaky ny vavany.