Hampiasaina ny drones hahafahana mijery ireo fanotofana tany tsy ara-dalàna. Giazana avy hatrany ireo kamiao tratra ary tsy handefitra ny Apipa.
Manao ny fomba rehetra hitsirihana ireo mpanototra tany tsy ara-dalàna, izay mamparefo ny lemak’Antananarivo ny Apipa. Miroso amin’ny fametrahana ny “digitalisation” ny ekipa ary mampiasa fitaovana manara-penitra, toy ny drones.
Hanamora ny fahitana ireo lemaka saro-pady tsy tokony hokasihana kanefa tandindomin-doza amin’ny fanotofana tany ny fampiasana ny drones. Hahafahana manao fanairana haingana sy midina ifotony mampitsahatra ny asa ihany koa. Ankoatra izany, ny fanarahana haingana ny kamiao izay manao ny fanotofana tsy ara-dalàna.
Arahi-maso akaiky ireo tsy fanarahan-dalàna mahakasika ny fanorenana sy fanotofana tany eto Antananarivo. Jerena akaiky ireo toerana rehetra ahitana tranga toy izany.
Tsy handefitra amin’ny tsy fanarahana ny lalàna ny fanjakana ary hanao be midina miaraka amin’ny “Brigade spécialisée” hanatanteraka fisafoana, raha ny fanazavan’ny tomponandraikitra ao amin’ny Apipa.
Giazana avy hatrany ireo fiara na fitaovana ampiasaina amin’ny fanotofana tsy ara-dalàna. Tsy hisy indrafo fa efa ampy izay ny fampitandremana. Efa nisy kamiao sivy tratra nanototra antsokosoko ka ny dimy amin’ireo no efa giazana amin’izao fotoana. Tafatsoaka kosa ny efatra ary eo am-pitadiavana azy ireny ny tomponandraikitra.
Toerana maro amin’ny lemak’Antananarivo no ahitana fanotofana saingy ireo tsy nahazo fahazoan-dalana na ny taratasy ara-dalàna no hosaziana.
Tamin’ity herinandro ity ihany koa, tonga tao amin’ny Apipa ny avy amin’ny Banky iraisam-pirenena hijery ny fiaraha-miasa fampiharana ny politikam-panjakana momba ny fiarovana an’ Antananarivo sy ny manodidina amin’ny tondradrano. Nanome toky ny tomponandraikitra fa tsy hisy ny tondradrano eto Antananarivo amin’ity taom-pahavaratra ity satria efa vita mialoha avokoa ny fanadiovana ny lakandrano sy ny tatatra rehetra hampikoriana tsara ny rano.
Tatiana A