Eo amin’ny tontolon’ny fitiavana, samy manana ny fombany ny tsirairay. Ny isam-pianakaviana… Nahitana taratra fiombonana kosa teo amin’ny fifankatiavan’olon-droa (lahy sy vavy, zanaka sy ray aman-dreny, zoky sy zandry…), ho an’ny Malagasy.
Singa iray anisan’ny nanamafy orina ny fiainam-piarahamonina nisy teto Madagasikara ny fifankatiavana. Tsy niandrasana vanim-potoana tahaka ny « Fetin’ny mpifankatia » fa nanaraka ny lamina voajanahary ny Malagasy. Fifankatiavan’ olon-droa, lahy sy vavy, ray aman-dreny sy zanaka, zoky sy zandry, sns. Raha eo amin’ ny fifankatiavan’ny lahy sy ny vavy, ohatra, nohajainy fatratra ny lamina mazava napetrak’Andriamanitra Andriananahary. Lehilahy miaraka amina vehivavy, na lehilahy manam-bady vehivavy. Raha ny fiarahamonina tany ambadik’ Imanareza, fahagola, tsy nahitana mihitsy lehilahy «manam-bady» lehilahy, na vehivavy «manam-bady» vehivavy. Nataon’ny Malagasy fady tanteraka ihany koa ny mifanambady zafin’ny mpirahavavy na zanak’olom-pirahavavy, satria, ireny no «kibo tsy homby», sns.
Fifankatiavan’olon-droa, zanaka sy ray aman-dreny. Nifamatotra akaiky teo anivon’ny ankohonana izy ireo. Nataon’ny zanaka fady ny mamotsifotsy ny tenin’ireo nahitany masoandro. Fady ho an’ny ray aman-dreny kosa ny nianga-janaka. Niteraka hafanana sy fifankatiavana isan’andro izany.
Mitovitovy amin’io ihany koa no nitranga teo amin’ny fifankatiavan’ny zoky sy ny zandry. Ny zoky mpitondra teny. Ny zandry mpitondra entana. Fomba fiteny nilazana fifamenoana sy fifanajana teo amin’ny zoky sy zandry tao anatin’ny ankohonana sy ny fiarahamonina niainan’ny Malagasy fahiny ireo. Nentina nanasongadinana ihany koa fa tsy nisy ny nanohitra ny lamina voajanahary ka teraka ho azy ny fifanajana teo amin’ny antanantohatry ny taona niainana.
… Azo antoka izany fa tsy fomban’ny Malagasy ny « miarana na mivady » mitovy fananahana (samy lahy na samy vavy). Niaina tao anatin’ny fifankatiavana ny Malagasy fa tsy ny vahiny no nampianatra azy nifankatia.
HaRy Razafindrakoto