Nisy fivoriana sy fiofanana teny amin’ny Ekar notre dame de Rosaire Antohomadinika notanterahin’ny mpiandraikitra ny sekoly katolika, ny 10 febroary ka hatramin’ny omaly. Nandray anjara ny mompera curé, mompera vikera miandraikitra sekoly, ny ekipan’ny fanabeazana sy ny talen-tsekoly katolika rehetra ato anatin’ny Cisco 10. Ahitana an’Antananarivo Renivohitra, Atsimondrano sy Avaradrano, Ambohidratrimo, Manjakandriana, Andramasina, Arivonimamo, Ambatolampy ary Antanifotsy eo anivon’ny Dren telo: Analamanga, Vakinankaratra, Itasy ary ny Cisco Antanifotsy amin’ny ampahany. Nitarika ny fivoriana sy ny fifampizarana ny mpiandraikitra ao amin’ny Direction nationale de l’éducation catholique, ny mopera Ranaivoson Jules, sy ny mpiara-miasa aminy. Niompana tamin’ny zavatra telo ny fihaonana. Dinika momba ny rafitra maha sekoly katolika, ny rafitra sy lalàna iombonan’ny sekoly katolika amin’ny fanjakana misy ny andinin-dalàna samihafa manomboka amin’ny lalàmpanorenana ary farany ny arofenitra maneho ny sekoly katolika.
Nohamafisina, nandritra ny fivoriana, hoy ny lehiben’ny Direction diocésienne de l’éducation catholique (Didec) eto Antananarivo, Rajaonarivo Alexis, ny fitohizan’ny fanatanterahana ny fanadinana katolika: CEPE sy BEPC ary ny bakalorea toy ny isan-taona. Fanombanana anatiny hitsapana ny fari-pahaizan’ny mpianatra eny amin’ny sekoly katolika izay mampiavaka azy izy io. Manana anjara toerana lehibe amin’ny fanadinana ofisialy katolika ny taranja katesizy sy ny EVA (fahaiza-miaina sy mitia). Naverina eny anivon’ny sekoly katolika koa ny fanabeazana olom-pirenena satria tena mila izany ny taranaka amin’izao fotoana. Ny zavatra tsapa, ilaina amin’ny fidirana ho an’ny Oniversite sasany any ivelany ny bakalorea katolika izay porofo fa misy lanjany ilay mari-pahaizana hatrany ampitan-dranomasina, araka ny fanamarihany.
Ataovy hentitra ny fanapahan-kevitra
Momba ny fanomanana ny fanadinana ofisialy kosa, nambarany fa tsy misaraka amin’ny fanjakana ny sekoly katolika fa misy ihany ny teboka manahirana indraindray. Santionany ilay lalàna navoakan’ny fanjakana, tamin’ny alalan’ny “note circulaire” mahakasika ny tsy fandoavana vola ho an’ny fanomanana ny fanadinam-panjakana CEPE sy BEPC. Ho an’ny Cisco 10 ao anatin’ny Didec Antananarivo, misy ny vola hefaina hikarakarana ny fanadinam-panjakana araka ny nambaran’ny talen-tsekoly any ifotony. Miteraka fanilihana ny tsy fanefana ny vola ka tsy afa-manohatra izy ireo. Mampametra-panontaniana, hoy izy, ny zava-misy ka tokony holazain’ny minisitera mpiahy mazava tsara na misy na tsy misy ny vola ho fikarakarana ny fanadinana ofisialy.
Tsy mbola miroso amin’ny fampiharana ny sokajy vaovao OSE, L, S napetraky ny minisitera mpiahy ny sekoly katolika hatramin’izao taom-pianarana izao. Efa nisy ny andrana natao ho an’ny Lycée miankina amin’ny fanjakana fa sady tsy littéraire no tsy siantifika ireo mpianatra nahazo ny bakalorea amin’ireo sokajy ireo. Tsara ny hoe fianarana asa no tanjona fa tsy fantatra ilay hiafarana. Mbola ny sokajy C sy D aloha no tafiditra amin’ny fifaninanana eny amin’ny Oniversite.
Tsy voatery ho sora-bola…
Voaresaka tao anatin’ny dinidinika koa ny fehezan-dalàna vaovao mifehy ny asa sy ny fanatsarana nentiny sy ny fiahiana sosialy. Nisongadina fa tsy voatery hanaraka ny marikarama farany ambany (256 500 Ar) napetraky ny fanjakana no azon’ilay mpampianatra fa misy fanampiny amin’ ny endriny hafa ary 10 km miala ny renivohitra dia efa mahita izany tranga izany. Manohana ny mpampianatra amin’ny fivelomana ireo ray aman-dreny, indrindra any ambanivohitra, fa tsy voatery hahatratra ny sorabola takin’ny marikarama farany ambany.
Tsara ifotorana ny préscolaire satria io no fototra
Nodinihina koa ny Loi de l’orientation du système éducatif à Madagasikara (Losem) ka ireo andininy tena mahakasika mivantana ny sekoly tsy miankina (misy ny sekoly katolika) no nifotoran’ny fandalinana. Somary sarotra ity lalàna vaovao ity satria eto amintsika miova araka ny mpitondra ny rafitry ny fanabeazana. Efa nampiharina nanomboka ny taona 1995 ny rafi-pampianarana mbola ampiasaina ankehitriny io, hoy izy. Ilaina ny fanovana fa tokony kosa manaraka ny zava-misy eny ifotony ny paikady apetraka. Amin’ny maha mpanabe azy, tsapany, araka ny zavatra niainany, fa ny préscolaire no mila hifotorana tsara mialoha ny hidirana amin’ny kilasy 11ème ary hanomezana fanamarinam-pahaizana mihitsy. Satria tsy mahay mamaky teny sy manoratra ary mikajy akory ny mpianatra eny amin’ ny kilasy T3 (9ème) fa tsy mafy ny fototra niorenan’ny fampianarana tany am-piandohana.
“Tsara ny miditra amin’ny fanabeazana niomerika fa iza no hitondra ny fampianarana momba izay any ambanivohitra lavitra any?”, hoy ny fanontaniany. Tsy manohitra ny fanavaozana ny mpitantana ny sekoly katolika fa tokony hiainga amin’ny mpisehatra eny ifotony mahalala ny zava-misy momba ny fanabeazana ny zava-drehetra. Nisy ny zavatra nangatahana valiny, toy ny votoatin’ny fanavaozana ny rafitry ny fanabeazana fa tsy nahazoana valiny mazava. Ny fanatanterahana azy koa manahirana. Fanakianana entina manatsara zavatra no aroson’ny mpitantana ny sekoly katolika fa tsy fandavana akory.
Vonjy