Gazety Taratra (*) : Mpanoratra, tanora, anisan’ny nisafidy ny hampivelatra ny tantara fandefa amin’ny Radio ianao. Misy antony manokana ve?
Alok’Tefson (-) : Niverina ny fitiavan’ny Malagasy ny mihaino tantara amin’ny Radio. Noho izany, tsy tokony havela fotsiny amin’izao izany. Mila sanganasa na tantara vaovao hatrany ny mpihaino. Aza hadinoina fa tsy fahafinaretan’ny sofina ihany no azo avy amin’ny fihainoana tantara fa tokony hisy anatra na lesona sintonina ao anatiny. Faharoa, izaho manokana, tena tia mamaky boky. Tia mandalina na manadihady izay zava-mitranga. Maro be ny fahalalana azo avy amin’ireny. Tiako hozaraina amin’ny olon-drehetra amin’ny alalan’ny tantara fandefa amin’ny Radio.
* Raha vao maheno hoe : « tantara nosoratan’i Alok’Tefson ». Avy hatrany dia manongilan-tsofina ny mpihaino Radio. Misy antony ao?
– … Satria, tranga tsy fahita na tsy faheno firy no ho reny ao anatin’ilay tantara. Tantara mampatahotra! Miresaka ny tontolo tsy hita maso, sns. Tena mahaliana olona maro ny tantara tahaka izany. Mahaliana olona kokoa ny tantara mampatahotra noho ny tantara maneho ny fahita eny amin’ny fiainana andavanandro. Ohatra, ny tantaram-pitiavana.
Marihiko fa mety hanana endrika roa ny loharanon-kevitra amin’ireny tantara nosoratako ireny. Mety ho avy amin’ny fitantaran’ny olona ny zavatra hitany sy niainany. Ao koa ireo noforoniko. Io faharoa io no maro kokoa. Na izany aza, misy fefy na arofanina ny fanoratana tantara mampatahotra. Tsy zakan’ny olona raha mibahana ampaham-potoana ela loatra, ohatra, ny tontolon’ny fanahy ratsy tahaka ny demony. Mety mampikorontana ny saina sy ny eritreriny izany.
* Misy antony manokana ve nataonao ka nahatafidiranao ao anatin’io karazan-tantara io ?
– Eo ny fitiavana! Marihiko fa ny zavatra tiako no soratako fa tsy izay tian’ny mpihaino. Manampy ahy amin’ny fanoratana tantara ny nandalinako momba ny zava-panahy. Misy tsiambaratelo ara-panahy mety ho tafavoaka any anaty tantara. Tsy natao atahorana akory ireny. Marihiko kely, matetika, ao anaty fahanginana (andro alina) aho no manoratra. Roa na telo andro, voasoratra ny tantara iray. Mety ho herinandro ihany koa anefa. Tsy natao ho sakana ihany koa ny fanakianana.
Ahenoina fitaizana sy fanabeazana ny tantara. Mety ho seranan-tahotra na ho mora matahotra kely izy. Mety hisy ihany koa olona hiaina ireny ka ny fahenoina izany ao amin’ny Radio no hanampy azy hanova ny fitondran-tenany.
* Manao ahoana ny sitraka na vola azonareo amin’ ireny tantara fandefa amin’ny Radio ireny?
– Ekeko fa miroborobo na mivelatra ny tantara fandefa amin’ny Radio raha ny olona mihaino azy no jerena. Saingy, tsy mifanaraka amin’izay ny sitraka na tamby azo avy amin’izany. Misy aza, anie, Radio tsy manome sarany ny mpanoratra fa dia alefany fotsiny amin’izao ilay tantara e! Azo lazaina fa mandefa antsokosoko ihany koa ny sasany. Ao indray ireo miandry ny fivoahan’ilay tantara any anaty « You tube ». Samy maty antoka na ny mpanoratra na ny mpilalao ao anatin’ilay tantara. Tsy mahavelona raha hamelomana vady aman-janaka ny fanoratana tantara amin’ny Radio.
* Tanora manana ny mampiavaka anao ianao raha eo amin’ny fanoratana. Hanao ahoana ny mety hoavin’ny tantara fandefa amin’ ny Radio?
– Raha mitombo tsy miato ny isan’ny mpanoratra tantara, tsy manana talenta. Ho lasa fisehosehoana fotsiny ny maha mpanoratra sy ny tantara voasoratra. Raha be loatra ny mpanoratra tsy mahafehy ny teny malagasy. Ho simba ny tantara fandefa amin’ny Radio. Ilay zavakanto mihitsy no simba. Mila mandalina hatrany ny mpanoratra. Sivanina ny tantara henoin’ny olona. Raha ho an’ny tantara fandefa amin’ny Radio, ny mpanatontosa no manao izany.
Nitafa :
HaRy Razafindrakoto