Andron’ny 8 marsa : Mila sahy mandray fanapahan-kevitra ny vehivavy

Ambohipihaonan’ny fikambanam-behivavy manerana ny Nosy ny ao Mahajanga amin’izao fanamarihana ny Andro maneran-tany ho an’ny zon’ny vehivavy izao. Voizina ny fizakan-tena ara-pihariana, fa indrindra ny fahatokisan-tena iankinan’ny zavatra rehetra sy hanombohana ny dingana hahafahana miroso amin’ny fanapahan-kevitra sy fampandrosoana.

Manetriketrika ny fanamarihana ny Andro maneran-tany ho an’ny zon’ny vehivavy tanterahina eto Mahajanga, faritra Boeny, tarihin’ny vadin’ny filoham-pirenena, Rajoelina Mialy, ary tanterahin’ireo minisitera maro.
“Fitovian-jo sy fizakan-tena ho an’ny vehivavy sy ny tovovavy rehetra”. Io ny lohahevitra hiompanan’ny hetsika rehetra ary hanaovana fanentanana ho tafita amin’ny rehetra mandritra ny fankalazana.
Tondrozotra stratejika ho an’ny firenena amin’ny fampiroboroboana ny zon’ny vehivavy ny fanaovana ho laharam-pahamehana ny fanabeazana, fahasalamana, ady amin’ny herisetra mianjady amin’ny lahy sy ny vavy ary ny fandraisan’anjaran’ny vehivavy amin’ny fampandrosoana.
Nasongadina tao Mahajanga ny fampahaleovan-tena ny vehivavy amin’ny sehatra rehetra, indrindra ny fihariana sy velon-tena. Fahasahiana mandray fanapahan-kevitra sy hijoro amin’ny fitorohana raha misy tranga fanangolena sy herisetra.
Nanantitrantitra ny talen’ny fampivoarana ny vehivavy sy ny miralenta, Havanirina Jolcette, fa miainga amin’ny fahatokisan-tena no voalohany tokony hananana vao afaka miroso amin’ny dingana manaraka ny vehivavy. Ilaina ny fanofanana isan-karazany hananany izany fahatokisan-tena izany ary mamoha tsikelikely ny fahaizana ao anatin’ny hanatsarany sy hanapahany hevitra amin’ny tenany sy ny manodidina azy.
Raha ny salanisa dia mbola ambany ny lentan’ny vehivavy amin’ny sehatry ny fanabeazana. Betsaka ny vehivavy lehibe 15 ka hatramin’ny 49 taona no tsy mahay mamaky teny sy manoratra. Sahirana ihany koa izy ireo amin’ny fidirana amin’ny tolotra ara-pahasalamana ara-pananahana izay hita amin’ny fahavitsian’ny fiterahana natrehin’ny matihanina (45,8%).
31,1% ny zazavavy 15 ka hatramin’ny 19 taona no manomboka miteraka. Misy fiantraikany lehibe eo amin’ny fianarany, ny fahasalamany, ny fahafahany miasa ary ny faharavany mihitsy izany. Ny vehivavy malagasy dia vitsy kokoa noho ny lehilahy manana fahafahana ara-toekarena.
24% ny vehivavy miasa raha 35% ny lehilahy. Ankoatra izay anefa, miatrika fanavakavahana izy ireo eo amin’ny dingana fandraisana mpiasa ary voafetra ny fananany ny fahaiza-manao sy ny fahalalana ilaina.
Ny famerana ny fahefan’ny vehivavy amin’ny fandraisana andraikitra sy ny fanapahan-kevitra no mila hasongadina.
Anisan’ny zioga entin’ny vehivavy ihany koa ny herisetra an-tokantrano. 41% ny vehivavy efa nanambady no iharan’ny herisetra. 38,8% ny vehivavy 20 ka hatramin’ny 24 taona no manambady alohan’ny faha-18 taonany.
Anisan’ny nisafidianana ny faritra Boeny nanaovana ny hetsika nasionaly ny fahitana fa maro ny tarainan’ny vehivavy iharan’ny herisetra ao an-toerana.
Araka ny voalazan’ny MICS 2018, 39% ny vehivavy 15-49 taona no efa anatin’ny fanaovana firaisana ara-nofo. Maro ireo niharan’ny herisetra ara-pihetseham-po, ara-batana na ara-nofo nataon’ny vadiny na mpiara-miasa. 35% ny vehivavy sy lehilahy ny 18 taona dia efa manambady.

Manomboka sahy mitoroka ny olona

Toerana manokana mandray an-tanana ny olona iharan’ny herisetra ny CDEF, izay tarihin’i Joelison Landy Josua, mpandrindra ny ONG CDEF sy ny foibe fihainoana ny olona iharan’ny trangana herisetra ao amin’ny faritra Boeny.
Ny ankizivavy sy ny vehivavy no tena tonga manatitra fitaraina fa iharan’ny herisetra. Raha ny taha tamin’ny taon-dasa dia 879 ny trangana herisetra tonga tao amin’ny foibe. 96 kosa ny lehilahy tonga nitaraina. 77 ny ankizilahy noraisina an-tanana ary 103 ny tovovavy.
Ho an’ny olona miohatra ny 18 taona dia herisetra ara-toekarena no tena mpahazo azy ireo. Miseho amin’ny alalan’ny tsy fanomezana solon-tsakafo ny ankizy ho an’ireo mpivady nisaraka. Eo ko ny tsy fahafahan’ny vehivavy mandova sy ny tsy fahafahana misitraka ny fizaram-pananana rehefa misy ny fisaraham-panambadiana.
Ho an’ny ankizivavy dia ny herisetra ara-pananahana izay miseho amin’ny fanolanana sy ny fanararaotana ara-nofo mamofady no maro.
Mandray an-tanana amin’ ny fihainoana ny tatitra ataon’ireo niharan’ny herisetra ny CDEF. Midera ny herimpon’ireo nahasahy nanao fitorohana. Mampahafantatra azy ireo ny tohin’ny dingana atao aorian’ny fihainoana azy. Miara-miasa amin’ireo tomponandraikitra isan’ambaratonga amin’ny fiahiana ara-pahasalamana, ny fitsarana, ary manomana sahady ny ara-tsaina amin’ny fiverenan’izy ireo eny anivon’ny fiarahamonina indray.
Zaza herintaona no kely indrindra raisina an-tanana ao an-toerana ankehitriny. 17 taona kosa ny ankizivavy zokiny indrindra.
Miara-miasa akaiky amin’ny polisim-pirenena, ny zandarimariam-pirenena, ny fitsarana misahana ny zaza, ny foibe mandray an-tanana ny ankizy niharan’ny herisetra. Rehefa hita fa iharan’ny herisetra ary tsy mbola tokony hiverina eny amin’ny fiarahamonina ilay zaza dia apetraka amin’ity toerana ity vonjimaika na amin’ny fotoana maharitra ilay zaza.
Nisokatra tamin’ny taona 2000 ny ivontoerana ary zaza 10 no noraisina tamin’izany ary efa 36 mianadahy izy ireo ankehitriny no mipetraka ao. 90 eo ho eo isan-taona ny zaza miditra sy mivoaka ao amin’ny ivontoerana

Nanatontosa : Tatiana

Partager sur: