Marisarisa amin’ny fampiasana masomboly vary safiotra voizin’ny fitondram-panjakana ny tantsaha noho ny antony maro. Ao ireo milaza fa mampiankindoha tanteraka amin’ny fampiasana zezika simika sy mitaky rano betsaka ny masomboly ka ahina hamotika ny nofon-tany ary sakana amin’ny famokarana aoriana. «Mananosarotra ho an’ny tsantsaha ny fampiasana ny masomboly vary safiotra satria mampiakatra ny fandaniana. Lafo ny vidin’ny zezika fampiasa, tsy mety angalana ambioka ho an’ny famokarana manaraka ihany koa ny vokatra», hoy Ra-Jean, mpamboly. Notohizany fa mandoro tany sady mandoto ny tontolo iainana ireo zezi-bazaha raha oharina amin’ny zezika bio izay mora lo sy tsy atahorana. Izy izay mampitombo betsaka ny taham-pamokarana manaraka ary miantoka ny famokarana lovain-jafy.
Ankoatra izay, nilaza ireo mpamboly fa manimba ny hoavin’ny famokaram-bary eto amintsika ny fampidirana ny masomboly vary safiotra. Tsy hitovy amin’ny toe-tany sy ny karazan-tany any Sina, hoy izy, ny eto Madagasikara. Nomarihiny fa mbola mijanona ho olana goavana sedrain’ny tantsaha ny rano enti-mamokatra, indrindra amin’izao vanim-potoana fiovaovan’ny toetr’andro izao.
Mampiakatra
ny famokarana
Na izany aza, maro ireo tantsaha resy lahatra amin’ny fampiasana ny masomboly vary safiotra.
Mifameno tanteraka amin’ ny vokatra eto an-toerana izy ka hampitombo ny voka-bary ho azo isan-taona. « Hiantoka ny fahavitan-tena ara-bary ka hanampy amin’ny fahatrarana ny fahaleovan-tena ara-tsakafo eto Madagasikara ny masomboly vary safiotra », hoy kosa ny Sekreteram-panjakana misahana ny Fahavitan-tena ara-tsakafo, Razanamahefa Tahian’ Ny Avo. Soa fanararaotra lehibe ho an’ny 80% ny tantsaha mpamboly eto Madagasikara ny masomboly tsara kalitao hozarain’ny fanjakana. Hampitombo ny tahirin-tsakafo sy ny voka-bary azo izany satria mahatratra 8 ka hatramin’ny 12 taonina/ha ny vokatra raha oharina amin’ny taham-bokatra ankehitriny izay manodidina ny 3,5 taonina ka hatramin’ny 4 taonina/ha. Nilaza ny Sekreteram-panjakana misahana ny fahavitan-tena ara-tsakafo fa hanampy amin’ny fanomezana ireo masomboly tsara kalitao sy hizara zezika ny fitondram-panjakana hanohanana ny tantsaha amin’ny famokarana. Hisy koa ny fametrahana ozinina mpamokatra zezika amina faritra maro samihafa eto amin’ny Nosy sy ny fampitaovana manara-penintra entina hamokarana.
Teknika manokana
Mitaky teknika sy torohay ara-pambolena ny fampiasana ny masomboly vary safiotra. Mila toe-tany mafana sy tanimbary be rano, zezika mineraly sy organika ny masomboly. Na izany aza, nampiofana sahady ireo tantsaha nisitraka izany ny fitondram-panjakana hanamorana ny famokarana. Manara-maso izany ihany koa ireo teknisianina samihafa mba hahazoana vokatra miabo sy mamaly ny filana. Ankilany, hanatsara ny fari-piainan’ny tantsaha ny fampiasana ny masomboly vary safiotra. Hampidi-bola hatrany amin’ny 6 tapitrisa Ar/ha ny vokatra azo raha mahafeno ny fepetra takina amin’ny famokarana izy. Handray ny voka-bary azo ihany koa ny sehatra tsy miankina. Hiakatra ny taham-pamokarana eto Madagasikara satria hamokatra intelo isan-taona ny masomboly, amin’alalan’ireo teknika vaovao sy manara-penitra ampiasaina. Tanjona ny hamerina ny Nosy malagasy ho sompitry ny ranomasimbe Indianina. Marihina fa andrasana amin’ity taona ity ny voka-bary voalohany ho an’ny faritra Menabe, anisan’ny nisitraka masomboly.
Nomarihin’ny tomponandraikitra fa tohana no omen’ny fitondram-panjakana. Mipetraka ny «système revolving» iantohana ny faharetan’ny masomboly. Misitraka masomboly vary safiotra milanja 25 kg sy zezika organika sy mineraly 350 kg ny tantsaha manana tanimbary 1ha. Averina amin’ny fitondram-panjakana amin’ny vary akotry kosa ny 50% ny vokatra azo tamin’ilay masomboly 25 kilao nozaraina hanampiana ireo tantsaha hafa. « Tsy misy, araka izany, ny vola mihodina ao anatin’ny rafitra mipetraka », hoy hatrany ny fanazavana vaoray.

Vina
Midadasika, mahatratra 36 tapitrisa ha ny tany azo ambolena eto amintsika, raha 2 ha monja ireo efa voavoly. «Faritra 14 manerana ny Nosy no hisitraka ny hanam-pamokarana masomboly vary safiotra ary natomboka ny volana febroary tao Tanambe, distrikan’Amparafaravola, faritra Alaotra Mangoro, izany. Hotohizana amina toerana maro», araka ny fanazavana. Vina, araka izany, ny hanondranantsika vary manomboka ny taona 2027. Marihina fa apetraka manomboka ny taona 2026 ny masomboly vary safiotra an-tanety hamaliana ny filan’ ny firenena.
Tsiahivina fa fambolem-bary manara-penitra ahafahana miala amin’ny fahantrana sy hanampiana ny tantsaha ny voly vary safiotra. Vokatra azo tamin’ny alalan’ny fiaraha-miasan’ny fitondram-panjakana sy ny firenena sinoa, tamin’ny Focac andiany faha-9 amin’ny fampiharana ny politika ankapoben’ny fanjakana izany.
Nanatontosa : Henintsoa Hani