Fitantanana: Ho amin’ny tombontsoa iombonana ny politika sy ny fanjakana

Mahabe resaka ny sasany ny hoe politika sy fanjakana; eny, na ny governemanta aza. Indraindray, mila hifangaro be ihany… Inona ny marina? Ho amin’ny tombontsoa na soa iombonana ny hoe politika sy fanjakana. Andrana fanadihadiana…

Manondro tanàna voalamina ny hoe politika amin’ny teny grika fahiny. Midika hoe lalàmpanorenana sy olom-pirenena kosa ny hoe “politeia”, izay tsy fahita firy amin’ny politika amin’ny teny frantsay, ohatra. Izay no nahatonga ny hoe fandaminana tanàna (polis tamin’ny teny grika) na firenena ny politika taty aoriana. Tsy hoe tanàna amin’ny maha tanàna azy fo­tsiny ny hoe “polis” amin’izany, fa fanjakan-tanàna na lamin-tanàna. Ny “politês” niavian’ny mpamaritra hoe “politikos” kosa dia midika hoe “izay momba ny olom-pirenena, izay mifandray amin’ny fanjakana”. Rehefa nitohy ny fivoaran’ny teny sy ny hevitra raketiny, siansa momba ny raharaham-panjakana ny hoe politika.
Momba ny hetsika àry ny politika, fifandanjana, fampandrosoana anatiny na ivelany amin’ny fiarahamonina iray. Ao anatin’izany fifandraisany anatiny sy fifandraisany amin’ ny vondrona hafa. Ny politika no tena mifandray amin’ny fitambaran’ny isam-batan’olona na ny maro. Eo amin’izay fijery izay, miitatra amin’ny lafiny rehetra amin’ny fiarahamonina ny fianarana politika na siansa politika: toekarena, lalàna, sosiolojia… Amin’ny heviny voafaritra kokoa, ny fa­naovana politika dia fampiharana fahefana na hoe ady fa­he­fana sy ny solontena manana fahefana ary ny antoko politika samihafa izay misy azy avy. Eo koa ny fitantanany an’izay fahefana izay.

Tombontsoan’ny
besinimaro ny fanjakana

Avy amin’ny teny latinina ny hoe “state” kosa ny Fanja­kana, izay avy amin’ny ma­toanteny “stare” izay midika hoe “mitsangana”, ary amin’ny heviny an’ohatra “ny toerana”. Miseho amin’ny fiteny eoropeanina amin’ny heviny maoderina amin’ny fiafaran’ny taonjato faha-XV sy faha-XVI ny teny hoe Fanjakana. Ta­min’ny taonjato faha-XVIII, nanondro ny toe-piainan’ny olona iray ny Fanjakana, ny “toerana sivily” ananany.
Fomba fandaminana politika ao anatina ivo na foibe iray ny Fanjakana. Eo koa ireo andrimpanjakana natsangan’
izany ivom-pahefana izany ha­metraka sy hampihatra fitsipika. Amin’ny fomba fandaminana, endri-drafitra na fandaminana anatina ivo na foibe iray ampiasain’ny fiarahamonina mba hijerena sy hitantanana ny tenany izany. Fama­ritana be mpampiasa ny an’ny mpan­­dinika fiarahamonina, i Max Weber: ny “Fanjakana” dia fisiana manokana ara-politika izay mitana ampihimamba amin’ny fampiasana ara-dalàna ny herisetra.
Eo amin’ny sehatra andrimpanjakana, azo raisina ho toy ny fitambaram-pahefana sy fa­nerena iombonana ny Fanja­kana, izay ananan’ny firenena amin’ny olom-pirenena sy ny isam-batan’olona. Mba hahazoana antoka izany fa manjaka ny antsoina hoe tombontsoan’ny besinimaro, ary miaraka amin’ny etika ny soa ho an’ny rehetra na ny soa iombonana.

Miavaka amin’ny Fanjakana ny governemanta

Rehefa nandeha ny fotoana, nisy endri-panjakana sa­mi­hafa nivoatra. Samy nanamarina ny fisiany tamin’ny fomba samihafa izany: lalàn’Andria­manitra, petra-kevitra fifanarahana sosialy… Samy miasa amin’ny fomba tena sa­mihafa ihany koa izy ireo. Amin’ izao fotoana, ny Fanjakana-firenena maoderina no endrika lehibe indrindra amin’ny Fanja­kana. Nefa tsy azo afangaro ary tsy mitovy amin’ny firenena ny hoe Fanjakana. Ny lalàna iraisam-pirenena dia mamaritra ny Fanjakana manjaka ho toy ny vondron-tany voaorina, izay mihatra amin’ny mponina ma­haritra ny lalàna ao aminy, ary ahitana andrimpanjakana izay ampiharana ny fahefana sy ny fahefana mahomby.
Azo avahana amin’ny Fanjakana ny governemanta. Ny fanjakana dia fandaminana raha ny governemanta kosa dia vondron’olona manokana na biraom-pitantanana mifehy ny fitaovam-panjakana amin’ny fotoana rehetra na voafaritra tsara. Izany hoe, ny governemanta no fomba ampiasana ny fahefam-panjakana. Ampi­asain’ny governemanta samihafa mifandimby ny Fanjaka­na. Zavatra ara-tsosialy tsy manam-batana ny Fanjakana, fa vondron’olona manana fa­hefana manery kosa ny governemanta.

Hoy izy ireo :

“Tsy mahalala ny fahantrana afa-tsy amin’ny alalan’ny antontanisa ihany ny mpanao politika. Tsy misy mitomany manoloana ny tarehimarika”, Abbé Pierre.
“Ny maha mpanao politika dia midika hoe afa-milaza mialoha izay hitranga rahampitso, herinandro ho avy, volana ho avy ary amin’ny taona ho avy. Ary afa-kanazava avy eo ny antony tsy nisin’izany rehetra izany.”, Winston Churchill
“Raha mbola misy ny Fanjakana, tsy misy fahafahana; rehefa manjaka ny fahafahana, tsy hisy Fanjakana intsony”, Lenine.
“Eo ambany fiahian’ny fitondrana tsara, mahamenatra ny fahantrana; eo ambanin’ny fitondrana ratsy, mahamenatra koa ny fananan-karena”, Confucius.
“Tsy manana tolo-kevitra hatao ny governemanta, fa baiko homena.”, Charles de Gaulle.
“Amin’ny politika, (…), tsy misy olona fa hevitra; tsy misy fihetseham-po fa tombontsoa; amin’ny politika, tsy mamono olona fa manala sakana, izay ihany.”, Alexandre Dumas.

Partager sur: