Indray mandeha isan-taona ny fanaovana ny ramadany, atao mandritra ny iray volana. Maharitra eo amin’ny 29 na 30 andro eo ny faharetany. Tsy azo tapahina fa raha sanatria tapaka dia soloina amin’ny fotoana hafa. “Mandidy ny mpino silamo hanao ramadan ny boky masina Korany Coran. Tsy maintsy ataon’ny mpino silamo tsirairay avy izany, raha tsy misy ny sampona tsy ahafahan’ireo mpifehy iray manao izany”, hoy ny filohan’ny Fikambanan’ny silamo malagasy (FSM), Abousoary Saïd Arsène. Mahazo alalana tsy manao izany kosa ireo olona sendra tsy fahasalamana na manao “voyage”. Ankoatra izay, fotoana hitsinjovan’izy ireo ny mpiara-belona sy ny ankohonana ary ny fianakaviana ny Ramadany ka maro ireo hetsika ara-tsosialy atao.
Fototra fahatelo iorenan’ny finoana silamo sady tsy azo lavina ny fanaovana fifadian-kanina mandritra ny volana Ramadany. Volana fahasivy ao anatin’ny tetiandro islamika io volana io. Didy tsy azo ivalozana avy amin’Andriamanitra izany, tahaka ny nataon’i Jesoa zanak’i Maria nanao fifadian-kanina nandritra ny 40 andro. Tsy vitan’ny hoe mifehy vava fotsiny ihany fa mifehy ny vatana iray manontolo ihany koa. Ezahina halavirina ireo fomba amam-panao tsy mendrika, mandritra izany. “Fotoana natao handinihan-tena sy hanatonana bebe kokoa an’Andriamanitra ary hitaizana vatana sy fanahy ary saina ny Ramadany”, hoy hatrany izy. Mba hialana amin’ny fahazaran-dratsy fanao rehetra amin’ ny fiainana andavanandro. Ahafahana miatrika ny 11 volana manaraka indray mba tsy hanao zavatra fahatany, toy ny mandainga, mamitaka…
Misy tombontsoa ny fifadian-kanina
Maro ny tombontsoa azon’ ny tsirairay amin’ny fanaovana fifadian-kanina. Eo ny fahazoana ny famindram-pon’Andriamanitra sy ny fibebahan’ny mpino ary ny famafan-tsazy avy aminy azon’ny olona tsirairay avy manatanteraka izany. Eo koa ny fahazoana tombontsoa ara-pahasalamana. “Misakafo foana ny olombelona mandritra ny taona, ilaina maka aina kely amin’ny fisakafoana ihany koa anefa ny vavony”, hoy ny mpino silamo, Razafimandimby Anicet antsoina hoe Moustafa. Nilaza izy fa fotoana hanaovana izany ny fifehezana mandritra ny iray volana. “Miha mitombo ny hery hananan’ny olona iray aorian’ny fifehezana sy ny fifadian-kanina ataony. Mitondra fahasalamana ho an’ny olona ihany koa izany, toy ny fahasitrananan’ny vavony, ny diabeta…”, hoy hatrany izy.
“Tanjona lehibe amin’izany ny fanadiovana ny ara-panahy hahatonga ny olona iray ho tompon’ny tenany sy ho tomponandraikitra tsy misy manara-maso”, hoy hatrany ny filohan’ ny fikambanan’ny Silamo malagasy (FSM), Absouary Said Arséne. Fanampin’izany, ny fahatahorana an’Andriamanitra araka ny voasoratra ao amin’ny “Coran” na Baiboly Masina. Miseho amin’ny alalan’ny fanatanterahana ny didy nolazainy rehetra ary ao anatin’izany ny fibebahana. Misy fepetra ny fibebahana, toy ny fanenenana tamin’ny ratsy natao. Eo koa ny tsy famerenena izay ratsy natao izay intsony ary ny fangatahana famelan-keloka amin’ilay Nahary irery ihany.
Nanampy zaza marary 40 ny fondation Mohammed IV
Nanatanteraka asa sosialy tetsy anivon’ny hopitalin-jazakely Ambohimiandra ny Fondation Mohammed IV, ny alarobia atoandro teo. Hetsika fanaon’izy ireo rehefa vanim-potoan’ny Ramadany tahaka izao. Notolorana “paniers garnis” nandritra izany ireo zaza marary manodidina ny 40 hatramin’ny 50 isa teny an-toerana. Nahitana zavatra maro toy ny ronono, biscuits, fromage, sy ny maro hafa ny tolotra. Ankoatra izay, notolorana vola mitentina 50 000 Ariary avokoa ireo ray aman-drenin’ny zaza marary teny an-toerana. Tanjona tamin’ny hetsika ny hanohanana sy hanampiana azy ireo manoloana ny tsy fahasalamana sy ny fidirana hopitaly izay hatrehan’izy ireo. “Entinay hanamafisana ny fihavanana sy ny firaisankina eo amin’ny samy mpiara-monina ny hetsika tahaka izao”, hoy Hamidou Ali, filohan’ny fondation section Mohamed IV eto Madagasikara, nandritra ny hetsika fizarana teny an-toerana. Ankoatra ny tolotra, nankahery sy nitrotro am-bavaka ary nirary soa ireo zaza marary sy ny ray aman-dreniny ihany koa ny Fondation nandritra izany. Nambarany fa tena ilaina ny fitrotroana am-bavaka sy fankaherezana azy ireo manoloana ny tsy fahasalamana. Nohamafisiny fa mila jerena tsara ny tena maika ka antony nisafidianana hanampy ireo zaza marary eny anivon’ny hopitaly. Ankoatra ny teto Antananarivo, efa nisitraka fizarana sy tolotra tamin’izy ireo koa ny tany Antsirabe, natao ny talata lasa teo. Fianakaviana 150 isa tany an-toerana no nisitraka fanampiana. Nomena vary 25 kg, menaka, ronono ary tsaramaso avokoa izy rehetra ireo.
Nanatontosa : Mino