Mandrimena : Trano misy rihana roa may nodoran’ny mpangalatra

May kilan’ny afo tanteraka ny trano misy rihana roa tetsy Mandrimena Iavoloha, omaly tamin’ny 11 ora tolakandro. Jiolahy nanafika no tompon’antoka

Voalazan’ny tompon-tra­no fa nisy olona tsy fantatra niditra sy nanapitsoka ny varavarana iray tao an-trano talohan’ny nirehetan’ny afo. Nambaran’izy ireo fa mpangalatra io lehilahy io, noho ny fihetsiny hafahafa izay tsikaritry ny mponina teny amin’ny manodidina. May kila tao anaty trano avokoa ny entana rehetra, tao amin’ny efitra rehetra amin’ny rihana voalohany sy faharoa. Anisan’ izany ny vola mitentina 20 tapitrisa Ariary, solosaina roa, fanamafisam-peo miisa enina miampy ireo fanaka maro tao an-trano. Niainga tao amin’ny efitrano fatoriana ny afo, ary niampita tamin’ny efitra hafa taorian’izay.

Mpanampy an-trano irery no tao an-trano

Ny mpanampy an-trano irery no tao an-trano tamin’io fotoana io. Efa niomana hivoaka hanatitra sakafon’ny mpianatra izy io no naheno fipoahana. Efa nisy olona nanaraka avy eo alohany tamin’ny fotoana nivoahany ny trano. Tsy tao an-trano ny tompon-trano tamin’io fa nampandrenesina tamin’ny finday. Niezaka namono ny afo tamin’ny rano izy ireo, mandra-pahatongan’ny mpamonjy voina. Tsikaritra tamin’izany ny fisian’ny vola miparitaka teo an-davarangana. Izany zava-misy izany no nilazan’izy ireo fa mpangalatra niditra tao an-trano no nandoro ny trano. Efa misy ny olona ahiahin’ny tompon-trano ho nangalatra sy nanao izao fandoroana ny tranon’izy ireo izao. Efa tonga teny an-toerana namono sy namehy ny afo ny avy amin’ny vondron’ny mpamonjy voina taorian’ny nahandrenesany ny antso. Naharitra adiny roa teo ny fahafehezana ny afo. Marihina fa tsy nisy ny olona naratra sy namoy ny ainy vokatr’izao voina izao.

Mino

Partager sur: