Arabe migodana: Hafainganina ny fanonerana ny mponina

Mihaino ny mponina ny fanjakana! Ny minisitry ny Asa vaventy (MTP), Rafidison Richard Théodore, indray no nihaona tamin’ny vahoaka, omaly zoma, teny Anosiarivo Ambohimanga Rova, taorian’ny sekreteram-panjakana miadidy ny Tanàna vaovao, Andriamanohisoa Gérard, ny alakamisy. Mihaino sy miresaka amin’ny vahoaka voakasiky ny fanamboarana ny arabe migodana mampitohy an’­ Antananarivo sy Toamasina. Nidinika sady nandray ny hetahetan’ny mponina eny an-toerana ny minisitra Rafidison Richard Théodore, niaraka tamin’ny mpiara-miasa aminy. Satria, nanome toromarika manokana ny filoham-pirenena Rajoelina Andry, ny hanakaikezana ny vahoaka, sady mila hafainganina ny fikarakarana ny antontan-taratasy rehetra mahakasika ny vola fanonerana (indemnité d’expropriation) ho an’ny olona rehetra voakasiky ny tetikasa.
Misokatra ho an’ny rehetra
Nohamafisin’ny minisitra, fa misokatra mandrakariva ny varavaran’ny minisitera MTP, mandray ny fitarainana na ny fiaraha-miasa entina hampandroso ny tetikasa fanamboarana ny arabe migodana.
Tsiahivina fa notandrovina ny tsy handalovan’ny soritry ny lalana eny Ambohimanga Rova, satria manana sata vakoka iraisam-pirenena ny Unesco. Kendrena koa ny tsy hanotofana tanimbary be loatra. Miainga eny Tsarasaotra Ivato ny PK0 ho an’ny arabe migodana ary any Anjozoro­be ny PK 80 amin’ny ampahany voalohany. Hatrany Toa­masina kosa ny ampahany faharoa, mitotaly 260 km.

Njaka A.

Partager sur: