Zava-dehibe ho an’ny fiatrehana fifaninanana ny firaisan-tsaina sy ny firaisankina. Na ho an’ny taranjan’olon-tokana izany na ho an’ny iraisana. Tsy misy mantsy ny mahavita tena na iray aza fa ilaina hatrany ny fifanohanana. Mifampiankina ny zavatra atao vao mahatratra tanjona. Ilaina koa anefa ny fikirizana fa io no milina iray tena hizorana any amin’ny fahombiazana.
Ireo rehetra ireo anefa tsy hilaozam-pahavalo. Mpifanandrina tena mampisara-bazana raha tsy voasoroka mialoha ny fandeferana sy ny fahafehezan-tena. Mifanindran-dalana mantsy izy roa ireo ka tokony tsy homena laka velively. Mahaiza àry mandefitra, mahafeheza tena. Na inona atao, tsy maintsy misy ny olana ka raha tsy mifandefitra rava ny zavatra kinasa. Rehefa tsy mahafehy tena na ny atleta na ny mpanazatra, eny mety ho tonga hatrany amin’ny mpitantana, mivaralila ny famindra ka tsy maintsy solafaka.
Atao toy ny tongotra, roa miara-mandeha ka tokana ny lalana hizorana. Tahaka ny tanana, iray zavatra raisina, satria ny tanana havanana tsy maharay sahafa, ny tanana havita tsy mahatana kifafa. Ny iray amin’ireo tsy mahavadika bainga raha tsy izy roa no miara-miainga. Ho roa sahala amin’ny maso, zavatra iray no banjinina, tokana no jerena. Koa mahaiza mandefitra, mahafeheza tena. Ny mahay mandefitra mantsy manana ny milamina.
Efa maro ny klioba, eny hatramin’ny ekipam-pirenena mihitsy aza, niharan’io tsy fifandeferana sy ny tsy fahafehezan-tena io, ka maty an-keriny toy ny famaky, botrin’ny ataony tahaka ny fanoto. Latsa-bato an-tanana sy raraka ilo an-doha, ka antitra vao kely haja.
Koa ndeha hanao toy ny vato ambany riana, tsy mikorontana akory fa mifanamboatra an-toerana. Ny lalana tsy asian-dratsy mantsy, ny hiverenana no mahatahotra.
Tompondaka