Iray amin’ireo firenena niaina sy nobeazina hanaraka ny lamina voajanahary ny Malagasy. Aminy, tsy misy raikipohy nomena tany an-tsekoly na nandramana tany amina toerana fanaovana izany, fa ny voajanahary no narahina. « Ny zaza tiana tsy hitsitsiana rotsankazo », hoy izy. Miteraka resabe izy io tato ho ato. Misy ireo ray aman-dreny manda mafy izany, satria hono, « tsy mifanaraka amin’ny toetrandro ankehitriny intsony izany». Tsy tokony hokapohina intsony, hono, ny zaza. Efa tokony hosoloina « zavatra » hafa, hono, ny kapoka atao amin’ny zaza sy ny ankizy. Anisan’ny antony niteraka izany ny fanambarana maro maneran-tany momba ny zon’ny ankizy: « Tsy tokony hokapohina ny zaza raha mitaky na maneho ny zony ». « Tsy mety intsony ny hikapohana ny zaza sy ny ankizy amin’izao vanim-potoana izao »…
Anisan’ny mampanaraha-davahana ny ray aman-dreny sasany amin’io hevitra io ihany koa ny tsy fahafantarany ny tena fanabeazana teo amin’ny Malagasy. Ao ny mihevitra fa ny fijerena tantara na andian-tantara ao alefan’ny televiziona dia ampy hitaizana sy hanabeazana ny zaza sy ny ankizy. Ny hafa indray milaza fa mety hitarika fahasimbana eo amin’ny sain’ny zaza sy ny ankizy ny fikapohana azy.
… Fa manomboka mihavitsy no mahatakatra fa rehefa tsy kapohina dieny mbola zaza ny Malagasy iray dia hokapohin’ny fiainana izy rehefa tonga ho olon-dehibe!
HaRy Razafindrakoto