Fanamby goavana: Hisitraka herinaratra ny 80% ny Malagasy amin’ny taona 2030

Vahaolana maharitra ny famokarana angovo azo havaozina avy amin’ny tohodrano sy ny masoandro. Miisa telo ny tetikasa tena goavana, ankoatra ireo tetikasa madinika.

Mitotaly 497 MW ny vokatra herinaratra eto Madagasikara tamin’ny taona 2023. Avy amin’ny tohodrano ny 250 MW amin’ireo, avy amin’ny herin’ny masoandro ny 130 MW, mandeha amin’ny solika ny 105 MW ary famatsiana herinaratra any ambanivohitra sy ma­dinika ny 12 MW.
Araka ny antontanisan’ny Banky iraisam-pirenena, ny taona 2022, mampiasa herinaratra ny 36 ny Malagasy, ankehitriny. Manana tanjona ny fanjakana ny hisitrahan’ny 80% ny mponina amin’ny taona 2030, araka ny vina napetraka sy nohamafisin’ny filoha Rajoelina Andry, nandritra ny fivoriana iraisam-pirenena momba ny angovo tany Tanzania, ny janoary 2025 teo, tao anatin’ny fandaharanasa « Mission 300 », niarahana tamin’ny Banky iraisam-pirenena sy ny Banky afrikanina ho an’ny fampandrosoana (Bad).

Toby Ambatolampy

Mitotaly 1 000 MW ny tanjaka hovokarina, izay voasoritra ao anatin’ny Fifanarahana nasionaly ho an’ny angovo (Pacte national pour l’énergie de Madagascar). Hanan-danja amin’izany ny famokarana avy amin’ny tohodrano sy ny herin’ny masoandro. Hiara-hiasa ny fanjakana sy ny mpamatsy vola iraisam-pirenena ary ny sehatra tsy miankina.
Anisan’ny misongadina ny toby famokarana herinaratra avy amin’ny herin’ny masoandro eny Ambatolampy, namokatra 20 MW ary efa nampitomboina ho 40 MW sy bateria manana tanjaka 5 MWh. Mi­tantana azy ny New Energy Africa (NEA), ao anatin’ny vondrona Axian, ka mivarotra ny herinaratra vokarina amin’ny Jirama, hanampiana ny tanjaka amin’ny Tambajotra iraisan’Antananarivo (RIA). Lehibe indrindra amin’ny fa­mokarana herinaratra avy amin’ny masoandro aty amin’ ny ranomasimbe Indiana ity toby any Ambatolampy ity.

Tetikasa Volobe

Tetikasa goavana faharoa ny famokarana herinaratra avy amin’ny tohodrano amin’ny alalan’ny reniranon’i Vo­lobe, any Toamasina. Novo­lavolaina tamin’ny taona 2016 ity tetikasa ity, tanterahin’ny orinasa Compagnie générale d’hydroélectricité de Volobe (CGHV). Nahazo ny fahazoan-dalana tamin’ny taona 2022 ary vita sonia tamin’ny 2023 ny fifanarahana tamin’ny fanjakana malagasy. Maha­tratra 120 MW ny vokatra ho­vokarina, hamatsy ny 35 ny vokatra herinaratra ho an’ny mpanjifa. Hanampy ny famatsiana ho an’ny Tambajotra iraisan’Antananarivo (RIA) ihany koa sy ny any Toa­ma­sina. Tombanana ho 2 tapitrisa ny tokantrano hisitraka herinaratra amin’ity tetikasa Volobe ity.
Hanohana ny fanatanterahana azy ny mpamatsy vola iraisam-pirenena maro, toy ny Vondrona eoropeanina (UE), ny Antokondraharaha frantsay ho an’ny fampandrosoana (AFD) sy ny hafa. Efa mandeha ny fananganana ny fotodrafitrasa mahakasika ny fi­tantanan-draharaha, ankehitriny, sy ny fanatsarana ny la­lana mankanyVolobe, eo anelanelan’ny faritra Vaki­nanka­ratra sy Amoron’i Mania.

Lehibe indrindra ny Tetikasa Sahofika

Anisan’ny goavana indrindra amin’ny famokarana herinaratra eto Madagasikara, eo am-pamolavolana, ny Teti­ka­sa Sahofika. Hanangana tohodrano ao amin’ny reniranon’i Onive, any amin’ny faritra Matsiatra Ambony. Hahatratra 60 metatra ny haavon’ny to­hodrano, raha toa ka mirefy 716 metatra ny halavan’ny lakandrano mankany amin’ny toby manodina ny rano ha­mokatra herinaratra. Miisa 7 ny milina « turbines », hapetraka, mamokatra 29,3 MW tsirairay avy, ka hitotaly 205 MW ny herinaratra ho azo. Mi­tantana azy ny orinasa Neho, izay hanampy ny tambajotran’ny Jirama. Tombana­na ho 8 tapitrisa ny mpanjifa hisitraka azy.
Efa nalefa tamin’ny aogositra 2024 ny antso tolobidy ho an’ny orinasa hanamboatra ny lalana mankany Sa­ho­fika, ka orinasa 7 no na­me­traka antontan-taratasy, toy ny Colas, ny Sogea-Satom, ny Synohydro, sns. Naverina natao indray anefa izany ta­min’ity taona 2025 ity, satria hanana anjara amin’ny fanatanterahana ny tetikasa ny fananganana ny Fonds souverain an’ny fanjakana ma­lagasy, miaraka amin’ny mpa­matsy vola iraisam-pirenena samihafa.

Nanatontosa : Njaka Andriantefiarinesy

Partager sur: