Hiantraika amin’ny toekarem-pirenena sy ny fiainan’ireo orinasa afakaba ny fampiakaran-ketra ho 47% alain’i Etazonia amin’ireo entana avy eto Madagasikara. Heverina ny hisian’ny fandroahana mpiasa sy fandefasana chômage teknika amin’ireo orinasa afakaba.
Mampivarahontsana. Mampanahy ny hoavin’ny toekarena sy ireo orinasa afakaba manoloana ny fampiakaran’i Etazonia ho 47 % ny hetra haloa amin’ ny entana avy aty Madagasikara. «Sarotra ny toe-draharaha ho an’ireo orinasa afakaba malagasy. Heverina fa hisy ny fandroahana mpiasa sy ny fandefasana chômage teknika», raha ny vinavinan’ny filohan’ny vondron’ny orinasa afakaba sy ireo mpiara-miombon’antoka (GEFP), Béatrice Chan Chin Yiu. Efa azo antoka fa tsy ho afaka handray mpiasa intsony ireo orinasa ireo, vokatr’izany, raha ny fanazavany hatrany. Nivoitra ireo nandritra ny fivoriana niarahan’ny rafi-panjakana sy ny sehatra tsy miankina, omaly, tetsy Anosy mahakasika io fepetra vaovao ho an’ny fanondranana entana any Etazonia io.
Tombontsoa iraisana
Manohy hatrany ny fifandraisana amin’ny firenena amerikanina sy ireo firenena afrikanina hafa voakasiky ny politka vaovao apetrak’i Etazonia momba ny haba ny fitondram-panjakana sy ny sehatra tsy miankina. Voaresaka manokana ny fitadiavam-bahaolana ara-potoana sy ny fiarovana ireo tombontsoa efa azo ao anatin’ny Agoa. Ankehitriny, mamolavola paikady satratejika fohy ezaka sy lavitr’ezaka ny roa tonta hanamafisana ny toekarem-pirenena. Laharam-pahamehana ny fanohanana ny sehatra tsy miankina amin’ny alalan’ny fampitomboana ny varotra sy ny fivelarana ara-toekarena. Zava-dehibe ny fiarovana ny toekarena eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena. Atao firenena maodely indostrialy sy afaka mifaninana aty amin’ny kaontinanta afrikanina i Madagasikara.
Marihina fa betsaka ny fanondranana ataontsika mankany Etazonia raha oharina amin’ny fanafarana entana avy any. Mitentina 600 tapitrisa dolara ny entana naondran’ i Madagasikara tany an-toerana, raha 53 tapitrisa dolara kosa ny entana nafarana.
Nanatrika ny fivoriana ny minisitry ny Fampiroboroboana ny indostria sy ny varotra, Ralambofiringa David, ny minisitry ny Raharaham-bahiny, Rasata Rafaravavitafika, ny minisitry ny Toekarena sy ny fitantanam-bola, Rabarinirinarison Rindra Hasimbelo. Teo koa ny masoivoho amerikanina eto Madagasikara, Claire Annette Pierangelo, ny tale jeneralin’ny fadintseranana, Lainkana Zafivanona Ernest, ary ireo solontenan’ny sehatra tsy miankina.
Henintsoa Hani