Taranaka ratsy taiza: Nosimbain’ny diplaoma ny fanabeazana

Miroborobo fatratra ny fisokafan’ny sekoly eto Madagasikara. Mitombo manaraka izay ny fitadiavana mpampianatra. Maro ireo mamaly ny antso, satria, manana ny diplaoma takina amin’izany.

Ireo tsy niasa na tsy nahita asa nandritra ny taona maromaro, nanjary mpampianatra. Asa masina tsy azo ankinina fotsiny amin’ny mari-pahaizana anefa izy io, satria, tsy ny fahaizana irery ihany no ampitain’ny antsoina hoe mpampianatra fa «zavatra» maro. Goavana indrindra amin’izany ny fahalalana sy ny fitaizana. Hadino tanteraka fa ny anarana hoe «mpampianatra» anie ka ahitana ny hoe «anatra». Ny be diplaoma, tsy voatery hahay mananatra. Mipoitra ny tsy fahombiazana ho an’ny taranaka tezaina sy alefa any an-tsekoly. Na ingahy na ramatoa mpampianatra aza tsy manana fahalalana sy tsy ampy fitaizana akory fa ny diplaoma no hany sakelehany. Tsy voahaja intsony ilay maha asa masina ny fampianarana fa zary mpanesika fahaizana ao an-dohan’ny mpianatra no hany sisa ambin’adidy ataon’
ilay mpampianatra. Toa milaza ankolaka amin’ny mpianatra fa : «ny hahazoana diplaoma no maha maika antsika».
Manana fiantraikany goavana eo amin’ny zaza ma­lagasy io tranga io, satria, tonga be diplaoma fa tsy ampy fahalalana izy ireo. Satria ilay mari-pahaizana no heverina fa «tena zavatra» ka atao izay hahazoana izany amin’ny fomba rehetra. Re­hefa mety ho fahalalana (fomba, fahendrena…), tsy misy tafita any amin’ny taranaka Malagasy. Manampy trotraka, ny fandaharam-pianarana, na ireo taranja ianarana, tsy hita izay hampiarana azy eny amin’ny fiainana andavanandro ny ankabeazany. Saingy, tsy maintsy ianarana mba hahazoana diplaoma.
Tsy mahagaga raha ma­nana manam-pahaizana ma­robe i Madagasikara fa vitsy olona manam-pahendrena sy fahalalana. Firenena mahantra. Olona tsy mataho-tody. Tsy mahafantatra ny hasin’ny aina. Tsy matahotra an’An­dria­manitra. Tsy mahalala fomba. Fatra-panivaiva sy mpanao tsinontsinona ny hafa. Soa ihany fa tsy ilay any an-tsekoly ihany no mpampianatra fa izay rehetra re sy tsapan’ny retsim-pandrenesana rehetra.

HaRy Razafindrakoto

Partager sur: