Rano …masina

 

Nanao ranolava tato ho ato ny olona maty an-drano na ireo niniana novonoina ka navarina an-drano. Loza toy ny loza rehetra ireny raha atao fijerin’olon-tsotra. Mampieritreritra kosa anefa raha amin’ny lafiny finoana sy ara-panahy. Ny rano rahateo no fototry ny aina, saingy ny rano indray ity, ankehitriny, no maningotra ny aina. Asa, misy ifandraisany amin’ity olan’ny rano misesisesy ity?
Resaka toy ny resaka rehetra anefa izany, fa ny tiana ho ampitaina dia tsotra. Mila mitandrina Ramalagasy
amin’ny fampiasana ny rano. Mila miandry sy miahy ny zanaka ny ray aman-dreny. Tokony hahay ifampiteny ny samy tanora sy ankizy tia rano. Ny tena zava-dehibe dia ny fifanajana rehefa mba misy ny fifananarana sy fifampitaizana.
Tsy izay ihany fa olana goavana sedrain’ny maro ny famatsiana rano. Aiza ve ka na kinkina ny tany, na dobo an-drano. Tsy misy andro mihiratra mihitsy. Manampy
trotraka ny voka-dratsin’izany ho an’ny eny anivon’ny tokantrano. Raha tsy ampy ny rano, tapaka ny famatsian-jiro. Raha be loatra ny rano dia tsenain’ny valanaretina noho ny fiparitahan’ny loto sy ny diky izay mitsingevana hatrany an-trano.
Amin’ny ankapobeny, fototry ny fahadiovana sy fidiovana ny rano, saingy matetika, mivadika ho fototry ny olana sy sedram-piarahamonina hafa. Iarahana miaina
ny faharavana goavana nataony teto an-drenivohitr’i Madagasikara. Aiza ka voafaoka hatramin’ny fefiloha. Narodany hatramin’ny trano goavana, namoizana ain’ olona.
Raha fehezina, saro-pady ny resaka rano, ka mitaky fifehezana araka ny tokony ho izy. Zava-doza ny firobarobana amin’ny fampiasana azy. Toraka izay koa anefa ny fanivaivana ny fomban-tany sy ny hasin’ny rano. Rehefa misy ny fady lazain’ny tompon-tany, mba samy mitan­drina.

r.r

Partager sur: