Tsy hita ho lazaina fa mahatonga saina ny zava-misy ankehitriny. Mitady hanjaka ny faharomotana faobe. Tsy olon-tsotra, tsy manampahefana fa mirintondrintona be fahatany. Ny manana basy mitifitifitra, ny manana sandry mikapokapoka, ny manana vava manasa vangy. Tsy misy fitoniana fa mifandrangitra ohatry ny olona marary saina.
Ny tena mampiteny ny moana, raha misy voina na loza. Tsy misy manaiky ho tompon’aindraikitra. Poa toy izay ny fanadiovan-tena sy fandetehana ny hafa. Ny zava-doza, kinga ery amin’ny firaisankina amin’ny ratsy. Mifampiaro be fahatany amin’ny fahalovana sy ny zavatra tsy manjarizary. Aleo mamahan-dalitra ny lehibe toy izay hiaiky heloka.
Toraka izany avokoa ny eny anivon’ny fiarahamonina ankehitriny. Manjaka ny kely tsy mba mamindro. Mahazo vahana ny tsindrihazolena. Resy ilay fanahy manoloana ny didin’ny be sandry. Mivadika ho angovo sy barofo no maha olombelona. Izay tsy mizahozaho dia voahitsaka an-tampon’ny loha. Izay mangina tsy volamena intsony fa toa vatolampibe hangerezam-borona.
Miaina anaty fiarahamonina tsy manome hasina intsony ny maha olona sy mpanaja soatoavina ilay Malagasy. Efa miaina ilay rivom-piovana mivaralila tsy misy fenitra.
Miaina anatin’ny gaboraraka ankatoavin’ny besinimaro ka mivadika ho rafi-piarahamonina ny eto Madagasikara. Zary andavanandrom-piainana ny fifampiatsarambelatsihy amin’ny endriny rehetra. Miroborobo ny fiforetana anaty ka ny “oui misea, oui misea!” no sisa fitsipika. Miaina endri-panjanahana vaovao mihitsy ilay firenena. Tsy misy idiran’ny vazaha fa ny samy zanatany.
Kofona ilay firenena amin’ny hafitsok’ireo milaza ho saro-piaro amin’ny taniny kanefa mamarina andavaka fahatany amin’ny fihetsika sy ny fomba fiainany.
r.r