Raha adiheloka tsotra, mametraka fitoriana ny olona iharam-pahavoazana. Eny amin’ny polisy na ny zandary na ny fampanoavana izany. Aorian’izay, mandeha ny fanadihadiana rehetra. Ny mpitandro filaminana na ny mpanenjika fandikan-dalàna no manao an’izay. Rehefa vita ny fanadihadiana, alefa eny amin’ny fampanoavana mandinika ny anton’ny fanenjehana ny raharaha. Mamaritra an’izay no ataony, raha tena misy ny heloka. Raha mbola misy fanadihadiana hafa tokony hatao na olona tokony hohadihadiana, ohatra, alefany any amin’ny mpitsara mpanao famotorana. Raha efa feno ny fanadihadiana sy ny olona rehetra tokony hohadihadiana, alefa hotsaraina…
Manapa-kevitra
ny fampanoavana
Aorian’ny fanadihadiana, manapa-kevitra ny fampanoavana na hotanana am-ponja vonjimaika ilay olona na atao eo ambany fanaraha-mason’ny fitsarana, na omena fahafahana vonjimaika. Tanana am-ponja vonjimaika izy raha heloka lehibe, ohatra, no anenjehana azy. Na atahorana handositra, na atahorana eo anivon’ny fiarahamonina, na arovana fa mety hovonoin’ny olona… Atao eo ambany fanaraha-mason’ny fitsarana kosa izy raha tsy atahorana hanohintohina fiarahamonina, na tsy heloka lehibe no anenjehana azy, na mampisalasala ny vesatra. Foto-kevi-dehibe ny hoe: avela hiriaria hatrany ny olona, raha tsy efa misy didim-pitsarana.
Manao fanadihadiana
lalina ny mpitsara mpanao
famotorana
Raha mandeha any amin’ny mpitsara mpanao famotorana kosa ny raharaha, manao ny fanadihadiana fanampiny rehetra ary mampitady izay olona tokony hilaina ao anatin’ny raharaha izy ireo. Manapa-kevitra mitovy amin’ny an’ny fampanoavana izy amin’izany, rehefa vita ny fanadihadiana fanampiny: mitana vonjimaika am-ponja, manome fahafahana vonjimaika… Avy eo, mbola manao fanadihadiana lalina ny mpitsara mpanao famotorana. Rehefa hita hoe feno ny antontan-taratasin’ady ary vita ny fanadihadiana rehetra, alefa hotsaraina amin’izay ny raharaha. Masi-mandidy amin’ny fanapahan-keviny ny mpitsara mpamoaka didy.
Raha misy tsy afapo na ny andaniny na ny ankilany, samy afa-mampiakatra ny raharaha any amin’ny fitsarana ambony. Tsy fanarahan-dalàna no jeren’ny fitsarana ambony. Raha mbola misy tsy afapo amin’ny didy avoakan’ny fitsarana ambony, afa-mampiakatra any amin’ny fitsarana fandravana. Izay no farany.
Misy paik’andro
ny fanenjehana
Herintaona no maty paik’andro ny fanaovana fanenjehana raha heloka madinika, telo taona raha heloka tsotra, ary dimy taona raha heloka bevava. Ny fampiharana didim-pitsarana kosa dia telo taona raha ady heloka madinika, dimy taona raha ady heloka tsotra, ary folo taona raha ady heloka bevava. Ao anatin’izay no tsy maintsy hampiharana ny didim-pitsarana.
Tokony hahazo mpisolovava avokoa izay miakatra fitsarana, arakaraka izay enti-manana eo an-tanany. Raha heloka bevava kosa no hanenjehana olona iray ka tsy manana mpisolovava, omen’ny fanjakana mpisolovava izy. Mba ho voatsara araka ny tokony ho izy sy afa-miaro tena tsara izy amin’izany. Mavesatra ny fanenjehana matoa heloka bevava. Izay no hanomezana azy mpisolovava maimaimpoana. Tsy voatery hisy mpisolovava kosa amin’ny heloka madinika sy heloka tsotra.
Miainga amin’ny fitorian’izay iharam-pahavoazana manoloana ny fitsarana kosa ny ady madio, tsy mandeha any amin’ny zandary na ny polisy. Tsy misy fanagadrana ny sazy amin’ny ady madio, fa fandoavana onitra na azon’ny mpitory izay tadiaviny ka nanaovany fitoriana: ady tany, fandoavana hofan-trano… Mbola misy fampiakarana any amin’ny fitsarana ambony sy ny fitsarana fandravana izany, raha misy ny tsy fahafaham-po.

Hafa ny ady ifanaovana amin’ny fanjakana
Amin’ny alalan’ny fitoriana ny ady ifanaovana amin’ny fanjakana. Tsy misy idiran’ny polisy sy ny zandary ny dingana ankapobeny. Tsy misy fandikan-dalàna izany, fa ny olom-pirenena tsotra, ohatra, no mahita fanapahan-kevitra tsy ara-dalàna ataon’ny fanjakana dia manao fitoriana. Na mahatsiaro ho voatohintohina na hoe diso ny fanapahan-kevitry ny fanjakana dia afa-mangataka ny fampiatoana na fanafoanana an’izany manoloana ny fitsarana misahana ny ady atao amin’ny fanjakana na ny Filankevi-panjakana izy.
Ao anatin’ny telo volana nahafantarana ny fanapahan-kevitry ny fanjakana no ahazoana manao fitoriana. Fifanakalozana fehinteny amin’izay sampandraharaham-panjakana voakasiky ny raharaha no atao aorian’ny fitoriana. Alefa hotsaraina ny raharaha, rehefa vita ny fifanakalozana fehinteny. Na mitombina ny fanapahan-kevitry ny fanjakana nanaovana fitoriana ka lavina ny fitorian’ny mpitory. Na tsy mitombina ny fanapahan-kevitry ny fanjakana dia mahazo rariny ny mpitory: foanana ary tsy manankery ny fanapahan-kevitra. Misy ny fandoavana onitra raha mangataka izany ny mpitory. Raha misy ny tsy fahafaham-po amin’ny didim-pitsarana, azo ampiakarina any amin’ny Filankevi-panjakana ny raharaha. Izay no dingana farany.
Tsara ho fantatry ny olom-pirenena
Ny tsy fahalalana sy ny tsy fanarahana dingana arahina amin’ny raharaham-pitsarana no anisan’ny mahatonga ny hoe azo raisina fa tsy mitombina. Ny tsara ho fantatry ny olom-pirenena amin’ny fanaovana fitoriana dia ny fandehan’ny raharaham-pitsarana: tsy tokony hametraka mialoha avy hatrany hoe misy kolikoly ao amin’ny fitsarana na misy kolikoly ataon’ny mpitsara. Lasa tsy manao fitoriana araka ny tokony ho izy. Amin’ny fitoriana, entina sy hazavaina ny hevitry ny tena momba ny raharaha. Miezaka matoky ny fitsarana koa amin’izany. Misy ny fahatokisana ny fitsarana matoa manao fitoriana.
Notontosain’i R. Nd.