Raha amin’ny finoana kristianina dia miditra anatin’ny vanim-potoan’ny fandresena miezinezina isika zanak’olombelona, manomboka anio. Hanamarika ny fitsanganan’ilay Kristy velona amin’ny alalan’ny fetin’ny Paka na Paska ny mpino maneran-tany. Raha ho an’ny eto Madagasikara aloha, tena fety miezinezina izany. Mitobaka ny zava-pisotro, tsy tambo isaina ny fety aman-danonana.
Anisan’ny fotoana ahafahan’ilay Malagasy manadinodino ny olam-piainany ny Paka. Tsy misy bedy, tsy misy mivaky loha izay tsy fananana. Mila mifaly ny vady aman-janaka dia ampy izay. Tsy mahagaga raha mirongatra ny asan-jiolahy. Samy manana ny fomba fitadiavany vola rahateo ny olon-drehetra. Tsy misy ambakan’ny hafa izany rehefa asaramanitra fa dia mila “manimanitra” toaka sy masikita…
Ny toe-tsaina koa tsy mitovy, ny an’ny sasany aza mbola manao raki-pisaorana any am-piangonana rehefa avy mangalatra sy manendaka. Tsy mihevitra izany ho ratsy izy ireo fa manao asa fivelomana toy ny olon-drehetra. Fotoana anefa izao handinihin-tena ho an’ny tsirairay. Tsy misy ny tonga lafatra sy ho ampy lava. Ny fahaizana mionona amin’ny eo am-pelatanana no zava-dehibe.
Fandresena! Izay no hafatra ao ambadiky ny Paka, miandrandra izany avokoa raha mbola Malagasy, angamba. Manantena fahasambarana na fara faharatsiny fiadanam-po. Asa aloha, tena fiadanana ve? Fa ny ankamaroan’ny olona izao dia misafidy ny fimamoana. Ny tena mampalahelo hatramin’ny adolantsento, zara angamba misy 12 taona dia efa mandry an-dalana.
Iza anefa no homen-tsiny amin’ity fankalazana fety masina anaty tsy fahamasinana ity? Malalaka anefa ny safidin’ny tsirairay koa ny irariana dia samy hahazo izay endri-pandresena eo amin’ny fiainany. Mba hahita fiovana tsaratsara, endrika ivelan’ny fitsanganam-piainany amin’ny maty.
r.r