Ao anatin’ny fihaonana an-tampony faha-V ataon’irao filoham-panjakana eo anivon’ny Vaomieran’ny Ranomasimbe Indianina (COI) izao. Manana izay mampiava azy aty Afrika ny COI. Na eo amin’ny fijoroany, na ny asany… Izay tsara ho fantatra.
Fikambanana iraisam-pirenena noforonin’ireo minisitry ny Raharaham-bahin’i Maurice sy i Seychelles ary i Madagasikara, tany Port-Louis, Maurice, tamin’ny taona 1982 ny Vaomieran’ny Ranomasimbe Indianina (COI). Natsangana tamin’ny 1984 tamin’ny fifanarahana Victoria, Seychelles, izay nanaovan-tsonia ny fifanekem-piaraha-miasa ankapobeny. Ireo nosy dimy any amin’ny faritra andrefan’ny Ranomasimbe Indianina no mandrafitra azy: i Kaomoro, i La Réunion amin’ny alalan’i Frantsa, i Maorisy, i Seychelles, ary i Madagasikara. Tamin’ny taona 1986 no niditra ho anisan’ny mpikambana i Kaomoro sy i Frantsa tamin’ny anaran’i La Réunion. Tamin’ny 1989 no nanana sekretera jeneraly ny COI ary tany Maorisy ny foibeny.
Manana izay mampiavaka azy ny COI
Hany fikambanana isam-paritra aty Afrika ahitana nosy irery ihany ny COI. Miaro ny maha toka-miavaka ireo firenena mpikambana ao aminy eo amin’ny sehatra kaontinanta sy iraisam-pirenena izy. Satria, marefo fa iharan’ny tsindry ivelany ireo firenena nosy ireo. Na ara-toekarena sy ara-bola io, ara-tontolo iainana sy ny fiovaovan’ny toetr’andro, ny famatsian-tsakafo sy angovo… Noho izany, tanjony ny fampiraisan-kery, ny fifanomezan-tanana amin’ny fomba sy fitaovana ho amin’ny fiharin-karena fampandrosoana, ny fanentanana ho amin’ny fanamby manokana amin’ny nosy an-dalam-pandrosoana ary ny fampiroboroboana ny aty amin’ny faritry ny Ranomasimbe Indianina atsimo-andrefana, izay faritra misy ny fahasamihafan’ny olombelona sy ny kolontsaina ary ny zavaboary.
Misy ny fiaraha-miasa amin’ny mpiara-miombon’ antoka
Amin’izany, manome fifanohanana ho an’ny firaisankina isam-paritra ny COI. Noho ny fanohanan’ny mpiara-miombon’antoka iraisam-pirenena, folo eo ho eo, izay mamatsy vola sy manohana ny tetikasa fiaraha-miasa. Nanomboka tamin’ny 1990, nametraka tetikasa fiaraha-miasa eo amin’ny fitantanana sy ny fiarovana ny tontolo iainana, ohatra, ny COI. Niarahana amin’ny fanohanan’ny Vondrona eoropeanina sy ny fiaraha-miasa frantsay ireo. Nandritra ireo tetikasany, mahazo fahaiza-manao ekena amin’ny sehatry ny fitantanana ny tontolo iainana an-dranomasina sy morontsiraka ny vaomiera. Eo koa ny sehatry ny jono; eny, na fiarovana ny zava-mananaina aza.
Maro ireo dingana efa nolalovana
Tany am-piandohan’ny taona 2000, nanohana hatrany ny filana manokana ho an’ireo nosy an-dalam-pandrosoana ny COI, indrindra amin’ny fihaonambe nokarakarain’ny Firenena Mikambana (ONU). Septambra 2005, nangatahiny ny satan’ny mpanara-maso tamin’ny Fivoriamben’ny ONU. Tamin’ny 2016, ny Repoblika entim-bahoakan’i Shina no mpikambana voalohany mpanara-maso. Nanaraka izany, tamin’ny 2017, ny Fikambanana iraisam-pirenena Frankofonia. Teo koa ny l’Ordre souverain de Malte ary ny Vondrona Eoropeana.
Tamin’ny 2018, nandray ny fiadidian’ny Vondrom-pifandraisana momba ny asan’ireo jiolahin-tsambo amin’ny morontsiraka somalianina (CGPCS) ny COI, nandritra ny fihaonan’ny roa taona. Tamin’ny 2020, i Kenya no nandray ny filohan’izany. Na izany aza, manohy miasa amin’ny maha sekreteran’ny CGPCS azy izy. Tamin’ny 2019, nandritra ny fisintahan’ny minisitra tany Moronia Kaomoro, nekena ny fanambaran’i Moronia momba ny hoavin’ny COI ho amin’ny fanavaozana. Koa nandritra ny filankevitry ny minisitry ny Raharaham-bahiny faha-34 tany Seychelles, tamin’ny 6 marsa 2020, nisy ny fifanarahana Victoria nanavaozana ny fanorenana ny COI. Nahazo sata mpikambana mpanara-maso koa i India sy i Japon ary ny ONU tamin’ny 2020.
Niitatra sy nivelatra ny tetikasa
Niitatra be ny tetikasan’ny COI: fitoniana ara-politika, fahasalamam-bahoaka, fivezivezena, fandraharahana, fotodrafitrasa, fifandraisana isam-paritra (niomerika, ana habakabaka, an-dranomasina)… Teo koa ny fifampiraharahana ara-barotra, fiarovana an-dranomasina, fiarovana ara-tsakafo sy fampandrosoana ny fambolena, ny jono sy fanaraha-maso azy… Toy izany ny ady amin’ny fiovaovan’ny toetr’andro, fitantanana maharitra ny faritra amoron-tsiraka, fitantanana ny fako, fampiasana angovo azo havaozina, fanaraha-maso ny tontolo iainana… Manana mpiara-miombon’antoka ara-teknika sy ara-bola eo amin’ny folo eo ho eo ny COI amin’izany, indrindra ny Vondrona eoropeanina sy ny Agence française de développement (AFD).
Miasa ho an’ireo firenena mpikambana ao aminy ny COI
Manome ny tari-dalana stratejika sy ara-politikan’ny vaomiera ny filankevitry ny minisitra, ahitana ny minisitry ny Raharaham-bahiny ao amin’ny firenena mpikambana. Izy io no sampana mpanapa-kevitra ambony indrindra. Isan-taona ary mifandimby ny fiadidian’ny filankevitry ny minisitra, araka ny filaharan’ireo firenena mpikambana araka ny abidy.
Ny Sekretera jeneraly, ao Ébène, Maurice, ny foibeny no tomponandraikitra amin’ny fanatanterahana ny fanapahan-kevitry ny sampana mpanapa-kevitra. Mamolavola sy mitantana tetikasa fiaraha-miasa izy, tomponandraikitra amin’ny fanetsehana ny loharanon-karena avy amin’ny vondrona mpamatsy vola.
Ny Fifanarahana Victoria, taona 2020, nohavaozina no mahatonga ny fihaonana an-tampon’ny filoham-panjakana sy ny governemanta. Hatao isaky ny dimy taona izany mba hametrahana ny stratejika sy ara-politikan’ny fikambanana. Teto Antananarivo izany, taona 1991; tany Saint Denis, La Réunion, 1999; Antananarivo, 2005; Moroni, Kaomoro, 2014; ary izao atao eto Antananarivo izao indray ny fihaonana an-tampoany V, anio. “Fiarovana sy fahavitan-tena ara-tsakafo ho fampandrosoana ny tsenan’ny Indianoncenie” no lohahevitra amin’izany.
Notontosain’i R. Nd.