Indray mijery

Efatra hatreto ireo ivontoerana manokana natsangan’ny fitondram-panjakana tamin’ny alalan’ny minis­teran’ny Fahasalamam-bahoaka sy ireo mpiara miom­bon’antoka ahafahana mandray an-tanana sy manara-maso ireo olona manana toe-tena diabetika nanomboka ny taona 2019 ka hatramin’ny 2022. Any Sambava sy Antalaha, ary Antsirabe sy Taolagnaro no ahitana izany natao hanamaivana ny fahasahirana ateraky ny fitsaboana. Ny diabeta tsy voalamina dia miteraka voka-dratsy ho an’ny fahasalamana ary miteraka fandaniana mihoam-pampana ho an’ny fianakaviana. Tolotra maro no afaka sitrahana eny anivon’ireny ivotoerana manokana ireny. Ao ny fitiliana sy fanaraha-maso ny diabeta, ny fandraisana an-tanana ny fahasalaman’ireo olona voamarina fa diabetika ary torohevitra sy torolalana ara-pahasalamana maro isan-karazany iarahana amin’ireo mpitsabo manampahaizana manokana.

Tontosa tao amin’ny tranompokonolona Miarina­rivo ny atrikasa nijerena ny fampifanarahana ny tetiandrom-pampianarana amin’ny zava-misy marina aty amin’ny faritra ho an’ny fitaleavam-paritry ny fanabeazam-pirenena Itasy. Atrikasa entina hanatsarana ny kalitaon’ny fanabeazana, hijerena ny olana tsy hampihena ny ora hianaran’ny mpianatra ary famporisihina ny zaza hiditra an- tsekoly ato amin’ny faritra ka tamin’ny alalan’ny tahirim- bola iraisana ho an’ny fanabeazana no nanatontosana izany. Voaporofo fa mihena hatramin’ny 10% ny taham-pahatongavan’ny mpianatra an-tsekoly ny volana janoary raha mitaha amin’ny volana hafa.

Nanambara ny sampan-draharaha miaro ny lemak’Antananarivo amin’ny tondradrano (Apipa) fa tsy misy filazana loza amin’ny lemak’Antananarivo momba ny fandehan’ny renirano ny zoma lasa teo. 0,88m i Sisaony eny Ampitatafika. 2,50m ny refy filazana loza manambama eo. 2,15m Ikopa eny Bevomanga raha 4m ny refy filazana loza eny. 1,40m i Mamba eny Ambohidroa.

Partager sur: