Fiarahamonina: Very hasina ny vehivavy malagasy?

Ny vehivavy fanaja. Niova dika sy hevitra ny atao hoe haja, ankehitriny. Tahaka izany koa ny hasina nomen’ny fiarahamonina azy ireny. Nanjary voasolo zavatra hafa. Mety efa ho saro-tadiavina ny vehivavy mendrika ny ho reny, satria, efa sady maty hasina no very haja… Manao randra-mitarika any amin’ny firenena izany.

Amidy avokoa na ny vatana, na ny tena, eny fa hatramin’ny fanahy. Mamono olona sy mandatsaka aina amin’ny fanalana zaza any am-bohoka. Mivaro-janaka… Tranga iainan’ny vehivavy eny anivon’ny fiarahamonina avokoa ireo. Nanjary vehivavy maty hasina sy very haja ny vehivavy malagasy. Vehivavy ratsy fitondran-tena… Tsy faka taranaka? Ny manabe sy mitaiza ny taranany, anefa, no adidy goa­vana sy lamina voajanahary ho an’ny vehivavy. Raha ireo no hadihadiana lalindalina kokoa. Mian­drandra taranaka tahaka inona ny Malagasy? Hahazo taranaka vanona ve?
Azo atao ho fitaratra ny renim-pianakaviana zara raha mitafy eo imason’ny zanany? Tsy mahalala menatra manoloana ny olom-pady. Ny sasany, ny hiboridana eny an-dalambe sisa no tsy ataony. Fitafiana tsy mendrika, satria, sady tsy manaja azy no tsy manaja ny mpiara-monina. Ny hafa, tsy mahafantatra akory ny fananany adidy aman’andraikitra manoloana ny taranany. Saika tranga fahita sy mitady hahazo faka eny amin’ny fiarahamonina malagasy ireo.

Samy hafa aza ny rano nandroana

Mbola misy sahy milaza sy manizingizina ihany fa fandrosoana, hono, ny tahaka ireo. Azo lazaina ho mandroso ve ny vehivavy manabe sy mitaiza ny taranany amina zava-tsy manjary? Fandrosoana ny mahita na maheno vehivavy malagasy zary lasa kilalaom-bahiny? Na samy hafa aza ny rano nandroana, iraisana kosa ny fahalalana fa vehivavy no loharanon’ny taranaka. Rehefa ny loharano no maloto, maro ny loza aterak’izany. Iraisana ihany koa ny fahalalana fa mila mitafy haja ny vehivavy. Rehefa ny vehivavy no tsy manan-kaja intsony, sarotra ny hahazoany taranaka fototr’olona.
Mbola rano nandroana hafa ihany koa no nilomanosan’ny vehivavy malagasy sasany miaina amin’izao vanim-potoana izao. Satria efa miady ny hitovy zo amin’ny lehilahy ny vehivavy. Mila miasa ivelan’ny tokantrano izy. Sarotra rahateo ny fiainana. Afaka manao asa mitovy amin’ny lehilahy ny vehivavy, satria, mitovy ny mari-pahaizana ananana. Mety hanana tombony aza ny vehivavy, satria, mahay « mivarotra »?
Potika sy maty hasina hatrany
amin’ny soatoavina

Tonga ratsy taiza sy tsy mahalala fomba ny taranaka malagasy. Potika ny soatoavina. Kisarintsarin-javatra sy ny endrika ivelany no betsaka. Manambana ho potika ny firenena, satria, adalam-pandrosoana ny vehivavy mala­gasy ankehitriny.
Ny lamina voajanahary narahin’ireo razana, fahiny, ezahin’ny vehivavy malagasy sasany tsy omena hasina sy lanja intsony. Dia mbola sahy mitonona ho Malagasy ihany izy ireo, satria, mitafy lamba isaky ny manatrika fety. Manao tanaivoho rehefa hiseho vahoaka, sns. Ny vehivavy efa maty hasina. Ny soatoavina ihany koa tahaka izany.
… Mila haverina amin’ny laoniny ny fanabeazana ny vehivavy malagasy. Hampanara­hina lamina voajanahary. Any amin’ny ankohonana no hanombohana izany. Ny reny no hataony fitaratra. Noho izany, mila reny tsara sy madio fitondran-tena. Reny tsy manao izay hahafaty hasina azy. Reny tsy fahavalon’ny ray. Reny tsy mampirisika ny zanany ho tonga kilalaom-bahiny…

Tsy mahagaga raha tahaka izao ny firenena

Tsy niompana tany amin’ny fanabeazana ny taranany intsony ilay loharanon’ny taranaka fa nikatsaka izay hampitovy azy amin’ny lehi­lahy. Nitsipaka sy miezaka mafy ny handika ny lamina voajanahary. Vokany, vitsy sisa ny tara­naka Malagasy no tsara taiza. Tranga mety hiseho, ny lehilahy indray no miantsoroka sy manatanteraka ny adidin’ny vehivavy ao amin’ ny ankohonana. Mitombo isa andro aman’alina ny tokantrano malagasy tratry ny fikoronta­nana. Tahaka izany ihany koa ny tarana-boanjo foto-boanemba. Mandova ratsy avy amin’ ilay reny (vehivavy). Vingavingain’ny olona, satria, efa maty hasina. Tsy misy hajany in­tsony.

Tsy mahagaga raha tahaka izao ny fire­nena (avy amin’ny « reny » no niavian’io anarana io). Tsy mandray ny adidiny amin’ny maha mpitaiza sy mpanabe azy intsony ny vehivavy malagasy fa manompana ny ezaka ataony ho any amin’izay heveriny fa mety sy mampirindra ny fiainany. Na hahavery hasina sy tsy hananany haja intsony aza izany, ataony ihany.

Tsy takona afenina intsony fa vao mainka aza mitombo fatratra ireo tranga mahatonga ny vehivavy malagasy ho faty hasina… Raha izao no mitohy, tsy hijanona eo amin’ny vehivavy sy ny taranaka ihany no ho faty hasina, famingavingan’ny olona fa ny firenena iray manontolo mihitsy!

HaRy Razafindrakoto

Partager sur: