Toa mijanona eo amin’ny « manan-karena ny kolontsaina malagasy ». Dia, inona no tohin’io? Tsy fantatra mazava…
Anisan’ny antony mampanan-karena ny kolontsaina sy ny zavakanto malagasy ny velaran’i Madagasikara. Midadasika ny tany, marobe ny kanto ao aminy. Iray amin’ireo firenena manana io haren’ny fahasamihafana io ity Nosy ity. Hatramin’izao, anefa, tsy ampy na tsy voatrandraka araka ny tokony ho izy ny ankamaroan’ireny kolontsaina sy zavakanto ireny.
Endrika maro no isehoan’izany. Satria, mahantra i Madagasikara. Manjary manara-davahana sy manatanteraka izay lazain’ny vahiny fotsiny ny tontolon’ny zavakanto sy ny kolontsaina ary ny mpikirakira azy ireo. Tranga mateti-piseho ny hoe : «ataovy tahaka ity, satria, io no tadiavin’ny any Andafy». Zary mpanatanteraka baiko sisa ny Malagasy mpanakanto na ny mpanao asa kanto. Tsy afaka maneho ny maha izy azy. Saika tratran’io teritery noho ny filana any ivelany io ny ankamaroan’ny zavakanto sy kolontsaina malagasy.
Amin’ny lafiny varotra, azo tanterahina ny tahaka io. Fa, amin’ny maha zavakanto sy kolontsaina azy, mety hampivaona zavatra maro. Raha sary sokitra maneho olona miboridana tanteraka, ohatra, no ilain’ny vahiny. Vitan’ny mpanao asa tanana malagasy izany, saingy, tsy manaja ny kolontsainy sy ny soatoaviny ka maha sadaikatra azy ny manatanteraka azy. Vokany, votsotra ny vola!
Tsy mbola tsara trandraka ny kolontsaina sy ny zavakanto malagasy. Saika ny efa eo ihany no ahodinkodina mba hitondra zava-baovao, hono. Atambatambatra, ohatra, ireo karazan-gadona. Omena anarana avy eo. Kanefa, mbola maro ny hira na dihy tsy mbola ahitana fivelarana fa voatazona any amina faritra kely. Ireny no tokony hotrandrahina. Hanompanan’ny mpanakanto sy ny mpikirakira ny kanto ny herim-pony. Zava-baovao ho an’ny tsena ireny. Amin’izay fotoana izay, ho tanteraka tokoa ny: «manan-karena ny kolontsaina sy ny zavakanto malagasy».
HaRy Razafindrakoto