Mpilalao tantara an’onjampeo: Nodimandry i Saholy Rakotonanahary

Nanana ilay feo miavaka, nahay niangaly izay toerana notazoniny tao anatin’ireo tantara fihaino rehetra nandraisany anjara i Saholy Rakotonanahary. Maty namela mamy izy.

Misaona indray ny kanto malagasy. “Lasa i Saholy Rakoto­na­nahary ry zareo. Namoy namana iray isika… Efa ela ihany no tsy nandrenesanareo ny feony niaraka taminay. Efa tao anatin’ny tsy fahasalamana izy, saingy mbola nanantena izahay fa ho resiny ny aretina”, hoy ny fanambarana nataon’i Nanja, mpiara-misehatra taminy tao amin’ny Aceem Radio. Nanamafy izany vaovao ratsy ho an’ny tontolon’ny zavakanto izany i Ony Mihajanirina, mpilalao tantara ihany koa. “Banga nilaozan-joky ny tontolon’ny tantara an’onjampeo Mala­gasy. Ny feonao kanto mifampiantso amiko iny, tsy ho afaka ao an-tsofiko… Ilay fahamatorana anaty fahatsorana, hotsaroako foana”, hoy izy.
“Tao amin’ny Faribolana Sandratra izahay no nihaona voalohany. Iray fikambanana tao amin’ny Vondron’ny Mpi­angaly Tantara na ny VMT ihany koa. Mpanorina rahateo io fikambanana io izy. Fomba fiasanay ny manorotoro ireo zandry handimby eo amin’ny sehatry ny soratra sy ny tantara an’onjampeo, toy ny efa nataon’ireo zokinay taminay”, hoy kosa i Zo Maminirina.
Efa nolazoin’ny aretina nandritra ny fotoana elaela i Saho­linirina Sylviane Rakotona­nahary, ka nitarika ny fahafatesany. Namela mamy anefa, ka hotsaroana foana eo amin’ny tontolon’ny zavakanto ny anarany. Mpamokatra fandaharana tao amin’ny Radio Feon’ny Vahoaka i Saholy Rakotona­nahary. Niara-dalana tamin’
izay, mpilalao teatra sy poeta mpikambana ao amin’ny Fari­bolana Sandratra izy. Ny sehatry ny tantara an’onjampeo anefa no tena nahafantaran’ny maro azy. Satria, sady mpanoratra, mpamokatra no mpilalao i Saholy Rakotonanahary. Anisan’ireo nanorina ny vondron’ny poeta Korira Kanton’ny Haisoratra Malagasy koa izy. Nanoratra andian-tantara tao amin’ny Search for common ground ihany koa.

Nangonin’i Zo ny Aina

Partager sur: